airtel

Sosialy

13-avril-2023

Sosialy

SAROTRA NY FIAINANA Te hilalao volabe ny olona, mirongatra ny fisolokiana

Sample post image

Mirongatra izaitsizy ny fisolokiana eto amintsika. Raha araka ny fanadihadiana natao teny anivon’ny mpitandro ny filaminana dia nanomboka ny taona 2022

13-avril-2023

no tena nampahazo vahana azy io ka ankoatra ireo milaza ho mahavita mampiditra olona ambony ho lasa mpiasam-panjakana dia tsy vitsy ireo misandoka ho polisy sy ho zandary raha tsy lazaina intsony ireo misoloky volan’olona eny amin’ny cash point sy milaza ho mahavita mandefa mpiasa any ivelany.
SAHIRANA , KAMO
Amin’ny ankapobeny dia anisan’ny antony manosika ireo olona sasany hisoloky ny hasarotan’ny fiainana. Ny karama raisina isam-bolana kely nefa ny fandaniana avo roa heny. Vokany, midi-trosa hatrany ny tokantrano iray hany ka lasa manaotao foana ilay Raim-pianakaviana na ilay Renim-pianakaviana. Ny adidy anefa eo an-daniny misy hatrany ary tsy maintsy hamoaham-bola hafa foana. Ny fisolokiana noho izany no hitan’izy ireny fa hany lalan-tokana hahazoana volabe ka misy mahavita manaotao foana mihitsy ny sasany. Ho an’ireo misandoka ho zandary na polisy dia anisan’ny paikady hampiasain’izy ireny ny fampihorohoroana olona. Vao hijoroany dia tsy maintsy mamoaka vola, na olon-tsotra izany na taxibe. Fa ankoatra ilay fahasahiranana dia anisan’ny mahatonga ireo olona maro hisoloky ihany koa ny hakamoana. Malain-kisasatra nefa te-hahazo volabe hany ka mampiasa ati-doha amin’ny ratsy fotsiny ihany. Misy mpivady, mpifankatia, mpianaka, mpinamana akaiky mihitsy ireo mahavita misoloky ary manafaka ain’olona mihitsy ny sasany, tranga fahita eny amin’ireny karazana cash point efa lasibatra teto amintsika ireny.
Legende : Ity ilay lehilahy nivarotra menaka jirofo hosoka tany Vavantenina
MISY GOAVANA SY MADINIKA, HATRANY AMIN’NY FARITRA Hatramin’ny volana janoary no nankaty dia miisa 4 raha kely ireo trangana fisolokiana goavana nataon’olona nandalo teo anivon’ny polisim-pirenena, ho an’ny teto an-drenivohitra, raha araka ny loharanom-baovao azo. Ny iray tamin’ireo no nitranga tamin’ny volana Martsa raha araka ny tatitry ny polisim-pirenena hatrany ary efa nalefa eny Antanimora ilay tompon’antoka tamin’izany. Tsy lazaina kosa ireo fisolokiana madinika nametrahan’olona fitoriana. Amin’ny ankapobeny dia lehilahy ny ankamaroan’ireo tena manao izany raha misy ihany koa ny vehivavy fa vitsy. Vao tamin’ny 09 Aprily teo ohatra dia lehilahy iray iray vao 36 taona monja no tratra nivarotra menaka jirofo sandoka tany amin’ny tananan’i Nosibe, kaominina ambanivohitra Maromitety, distrikan’i Vavantenina. Nahatratra 120 litatra ireo menaka jirofo sandoka tratra ireo.
MIAINA AMIN’NY KISENDRASENDRA
Raha araka ny hevitry ny mpandinika fiaraha-monina iray dia vokatry ny zava-misy iainana eny anivon’ny fiaraha-monina no manosika ny olona iray ho lasa mpisoloky ka hamitahany ny mpiara-belona. Misy ireo tsy mahazaka mahita ny namany na ny havany tafita na manana fiainana mety dia lasa manaotao foana. Tsy te-hampiasa saina na vatana mafy anefa izy mandritra izany mba hahazoana fahombiazana fa matetika manantena ireo karazana lalao mifono loka toy ny PMU sy ny tariny fotsiny mba hahazoana volabe indray mipoaka…. Rehefa tsy mahazo amin’ireny ireo mpanonofy lava dia lasa misoloky ho azy raha efa voatefy sy voarafitra ao anatin’izany fiandrandrana ny vintana izany ny hakamoana. Ny fomba fihetsiny sy ny fiteniny ihany moa dia efa hahafantarana ireo mpisoloky hoy hatrany ity mpandinika fiaraha-monina ity izay tsy miresaka afa-tsy vola ary mandresy lahatra sy manery ireo manodidina azy mihitsy aza indraindray mba hahatrarany ny tanjony.
Legende :Lasa mivadika filokana itadiavam-bola ny kilalao

Pati
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap