airtel

Sosialy

23-mars-2023

Sosialy

Sata mifehy ny fiahiana sosialy Mety hivoaka amin’ity taona ity

Sample post image

Mila avaozina ny sata mifehy ny fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara, hoy ny minisitry ny asa sy fampanan’asa, Rivotiana Jean Bosco,

23-mars-2023

ary mila itarina ihany koa ny sehatr’izany satria efa misy sehatr’asa vaovao koa maneran-tany manomboka maha tafiditra an’I Madagasikara. Ny fanadihadiana nataon’ny solontena malagasy tamin’ny fifaninanan’ny rafitra afrikanina CIPRES, izay nahazo ny laharana faharoa, hoy izy, dia ahafahana mitondra ainga vaovao ho an’izany fiahiana ara-tsosialy izany. Eo ny fametrahana ny lalàna sy ny fanavaozana izany fa any ivelany ny fametrahana ny fiahiana sosialy dia tsy maintsy atao ho an’ny mpiasa rehetra. Olana eto amintsika ny hoe betsaka ny tsy ara-dalana fa eo koa ny hoe noho ny fahantrana dia tsy mahafoy ny kely eo am-pelantanany ny olona andeha hanao latsakemboka amin’izany fiahiana ara-tsosialy izany fa ny anjaran’ny minisitera sy CNaPS dia ny fanentanana sy fanoroana ny mpiasa rehetra hatramin’ny orinasa mikasika ny tokony atao momba izany. Niditra filankevitry ny governemanta anio (TTF: omaly) ny sata mifehy ny asa na “code de travail”. Heritreretina hiditra amin’ny fivoriana ara-potoanan’ny parlemanta amin’ny may sy jona izany. Lavalava kosa ny dingana ho atrehina mikasika ny sata mifehy ny fiahiana ara-tsosialy. Misy sehatra sy paikady maro ifampidinihana ao fa araka ny dinika sy paik’andro izay natao dia amin’ity taona ity ihany no mety hamoahantsika izay sata mifehy ny fiahiana ara-tsosialy izay, hoy hatrany ny minisitra.
J. Mirija
Legende: Ny minisitry ny asa sy fampananan’asa, Rivotiana Jean Bosco
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap