airtel

Sosialy

19-juil-2022

Sosialy

SAVA sy Analanjirofo Mifaninana ireo mpividy lavanila

Sample post image

Mifaninana ireo orinasa misehatra amin’ny lavanila any amin’ny Faritra SAVA sy Analanjirofo amin’izao fotoana izao, raha ny fampitam-baovao marim-pototra.

19-juil-2022

Taorian’ny grevin’ny tantsaha tahaka ny tany Sambava, efa somary niova ny sary mifarombaka mividy amin’ny vidiny 75 000Ar ny kilao ireo mpanangom-bokatra rehefa manenjana tsy hanao varobaba ny vokatra nisasarany ny olona. Io 75 000Ar io rahateo ny vidiny farany ambany nameran’ny Fanjakana ny vidin’ny lavanila, ary efa hiditra tapa-bolana amin’ity herinandro ity ny nisokafan’ny taom-piotazana. Hatreto, somary nisinda ny ahiahy amin’ny hisian’ny fanararaotana noho ny efa fisian’ny fifaninanana hividy ny vokatra satria vao nisy mpandraharaha mpanangom-bokatra vitsivitsy niditra tamin’ny fividianana ny vokatra amin’ny vidiny tokony ho izy, dia nikorapaka ny rehetra tamin’ny ankapobeny ka mirohotra mividy ny lavanila. Isan’ny ahiahian’ireo mpanangom-bokatra sasany moa teo aloha teo ny hoe raha hividy ny vokatra, sao tsy hahazo ny fahazoan-dàlana manondrana na « agrément », saingy ny fahitana ny fahamaroany mihazakazaka mividy ny lavanila dia midika fa misy ny antoka, ary misy foana ny vahaolana.

Toky R 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap