airtel

Sosialy

03-sept-2021

Sosialy

Savaravon’ambany tanàna Fandaharana natao hanovana ny fomba fijery

Sample post image

Miezaka hatrany ny filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy no sady filoha tale jeneralin’ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA manova

03-sept-2021

 ny fomba fijeren’ny rehetra ny olona miaina sy beazina eny ambany tanana. Raha natao fitaovana politika entina hanonganam-panjakana,…. no tena nahafantaran’ny maro azy ireny teo aloha dia te-hanova tanteraka izay fomba fijery izay Rafanomezantsoa Jean Nirina. Nambarany fa olona tahaka ny olona rehetra manam-piniavana sy vonon-kandresy amin’ny fiainana ny mponina eny ambany tanana ka tokony hotohanana. Ho azy manokana dia maika sy hentitra ny famoronana asa ho azy ireny, tetikasa izay efa natombony volana iray lasa izay. Tsy misy mpitondra tsy nahavita zavatra izany teto amintsika hoy izy fa ny vahoaka no matory. Efa tsy fotoanan’ny fatoriana intsony anefa izao hoy izy fa tokony samy hiezaka ny tsirairay. Lohalaharana amin’ireny ny fahatsapan-tena amin’ny famelomana ny ankohonana amin’ny alalan’ny asa fitadiavana, ny fanovana ilay toe-tsaina kamo be tenda… Tsy vita mora anefa izany, antony manosika an-dRafanomezantsoa hikarakara ilay fandaharana Savaron’Ambany tanana izay natomboka omaly. Handeha mivantana amin’ny vata fahitalavitra Real TV io fandaharana io hanasana mpanao gazety maro. Tanjona ny hahafahana manabe ny mpiara-belona sy manova ny fomba fijerin’ny rehetra hahatongavana any amin’ny tena fampandrosoana marina.
Pati


 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap