airtel

Sosialy

08-août-2022

Sosialy

Secren Antsiranana Noravana tsy nisy hatak’andro ilay tolo-tanana

Sample post image

Noravana tsy nisy hatak’andro, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo, ny fanangonana tolo-tanana na “téléthon”,

08-août-2022

natao ho fanampiana ny mpiasan’ny Secren tao Antsiranana. Natahotra ny fahatongavan’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, tao an-toerana ireo mpitondra, hoy hatrany ny voalaza. Ambaranay eto, hoy ireo mpikarakara ity hetsika tolo-tanana ity, fa tsy politika no antony nanaovanay ny antsoavo tolo-tanana hanefana ny karaman’ireo mpiasan’ity orinasa ity izay tsy noraisiny tao anatin’ny 9 volana. Inona, hoy izy ireo, no antony mahatonga anareo manam-pahefana manao tsindry hazolena aminay vahoaka ka nandrava ity hetsika tolo-tanana ity, hoy hatrany ny fanontanian’izy ireo ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap