airtel

Sosialy

25-avril-2023

Sosialy

Sehatry ny fananan-tany Ny 20%-n’ny tany eto ihany no misoratra amin’ny Malagasy

Sample post image

Mbola olana goavana ny fanoratan’ny Malagasy ny taniny amin’ny anarany eto amintsika. Vao ny 20 %-n’izany monja mantsy no misoratra amin'ny tompony hatreto.

25-avril-2023

Tsy misoratra amin’ny taniny, araka izany, ny 80 % Malagasy. Milaza ny hanao ezaka ho enti-mamaha izany olana goavana izany ny Fitondram-panjakana ka anisan’ireny ny fanomezana sy fanoratana ho an’ny Malagasy ny taniny . Lohalaharana amin’ireny ny tany mbola tsy vita titra na kadasitra, ny tany tsy misy tompony sady tsy tanim-panjakana, ny tany tsy misy fiangonana na fasan-drazana, ary ny tany tsy tafiditra ao anatin'ny valan-javaboahary arovana. Izay olona nanajary izany nandritra ny 5 taona raha kely no afaka hisitraka izany amin’ny anarany madiodio. Malagasy 2 tapitrisa no kendren’ny Fanjakana hahazo kara-tany hatramin’ny faran’ity taona 2023 ity. Heverina ho 1 tapitrisa isan-taona kosa no hisitraka izany manomboka amin’ny taona 2024. Ho fanentanana ny Malagasy mba hazoto hanoratra amin’ny anarany ny taniny moa dia nisy ny fikarakarana hetsika herinandron’ny kara-tany omaly tetsy amin’ny lapan’ny tananan’Analakely. Tonga nanokatra izany ny praiministra Ntsay Christian. Tantsaha miisa 50 moa no nisitraka kara-tany omaly, hetsika izay hotanterahina manerana ny distrika 119.
Pati
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

Card image cap
22-avril-2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Card image cap
22-avril-2024

Ela ny ela fa nampitandrina ny orinasa JIRAMA ihany ireo mponina eny Fenoarivo sy Alakamisy

Card image cap
19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap