Tafiditra ao anatin’izany ny famoahana ilay decret momba ny karama farany ambany indrindra eto Madagasikara sy ny famoronana asa vaovao. Hampiharo ho an’ny rehetra ny asa mendrika sy mahavelona hoy ny sekretera jeneraliny Mananandro Jean Raphael. Mbola tena tsy misy izany eto amintsika raha araka ny fanazavan izay tsy tokony ho an’ny mpiasam-panjakana irery ihany fa hampisitrahana ihany koa na dia ireo mpiasa eo anivon’ny sehatra tsy miankina sy ireo heverina ho tsy manara-dalana. Nosinganiny manokana tamin’izany ireo mpanasa lamba. Toraka izany koa ireo mpivarotra amoron-dalana,….Tokony handray vola fisotroan-dronono izy ireny ho an’ny FISEMARE, ny fiahiana ara-tsosialy momba ny fahasalamany raha sanatria tojo aretina izy….Notsindriany moa fa 1 tapitrisa Ar hatreto no karama farany ambany indrindra tokony hositrahan’ny mpiasa Malagasy iray.
Pati*
Legende : Ny sekretera jeneraliny Mananandro Jean Raphael (ankavia)
Miditra efatra andro anio Talata 26 Septambra ny fahatapahan-drano ao anatin’ny kaominina Alasora,
Tontosa omaly 25 septambra 2023 tao amin’ny distrikan’Ankazobe ny fizarana titra sy kara-tany ho an’ny faritra
Tonga tao amin'ny Port Ehoala Fort Dauphin omaly ny sambo Triumph avy any Turquie izay mitondra ireo fantsona