airtel

Sosialy

27-févr-2024

Sendika FISEMARE

«Tsy hisy fampandrosoana raha tsy ambony ny fahefa-mividin’ny vahoaka»

Sample post image

Tsy hisy fampandrosoana raha tsy ambony ny fahefa-mividin’ny vahoaka,

27-févr-2024

hoy ny Firaisamben’ny sendika malagasy revolisionera na FISEMARE. Mety hikarakara atrikasam-pirenena na «Colloque national» izahay, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Mananandro Jean Raphael. Tsy vita mora nefa izany satria tsy tokony ny FISEMARE irery no hivoy azy fa tokony hiarahana amin’ny sendika namana. Ilay tomban’ny fandanian’ny mpiasa na «budget type» no ho voizina ao anatin’io. Isaorana ireo mpampiasa fa efa tena manaiky hoe tsy mahavelona ny mpiasa intsony ny karamany. Misy fiantraikany amin’ny famokarana, ny taham-pahaveloman’ny olombelona iray iny karama kely iny. Nanoso-kevitra koa ny FISEMARE tamin’ity taona ity hoe aza ny karaman’ireo «non cadre» na tsy mpitantana ihany no avoaka fa mba tokony hisy andininy na «article» mikasika ny fisondrotan-karaman’ireo mpitantana na «cadre» koa eo ambanin’ilay didim-panjakana. Na io resaka sokajy na «catégorie» io koa aza dia fotoana izao hanamboarana an’io. Izany sokajy M1 izany izao, raha ny lalan-tsaina nitondrana azy hatrany am-boalohany dia hoe asa sady tsy ilàna fahaizana no tsy ilàna herin-tsandry. Na ny mamafa trano aza nefa izao efa mila fahaizana, ohatra, ny resaka fampifangaroana ny vokatra ampiasainy hanadiovan-trano. Tsy misy asa tsy ilàna fahaizana izany intsony eto ambonin’ny tany. Sady ilàna fahaizana no ilàna herin-tsandry izao ny ankamaroan’ireo asa misy ka izay no ilàna ny fijerena ny tokony hanavaozana io resaka «catégorie» io koa. Eo amin’ny resaka ora iasana koa izao, taloha nolazaina fa 56 ora no tokony ho fotoana iasan’ny mpiandry tanàna na «agent de sécurité». Noheverina tsinona ireny taloha hoe mamoha sy manidy vavahady dia matory. Ankehitriny anefa ireny tena tsy mikipy maso mandra-paharain’ny andro. Ilàna mari-pahaizana, ilàna halavana, betsaka no ilaina ao ka izay no ilazàna hoe tokony ho betsaka ny fanavaozana atao eo amin’ny tontolon’ny asa eto Madagasikara raha toa ka tiana ho tanteraka ny hoe Madagasikara tsy maintsy mandroso, hoy hatrany ny FISEMARE.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique