airtel

Sosialy

09-août-2021

Sosialy

Sendika SVS- Asa fivelomana Mila havaozina ireo lalàna efa lany andro

Sample post image

Miisa 388 ireo andininy ao anatin’ny lalàna mifehy ny asa eto amintsika ankehitriny. Ny mampalahelo anefa raha araka ny fanazavan’Atoa Barison Rakotomanga,

09-août-2021

sekretera jeneralin’ny vovonana sendikaly SVS tamin’ny sabotsy teo dia mahatratra 53 be izao ireo lalàna efa lany andro ao anatin’izany ka tokony havaozina sy hatsaraina. Anisan’ireny ny fandroahana fahatany ireo mpiasa efa niasa 10 taona no mihoatra tamina orinasa iray. Toraka izany koa ireo miasa 6 taona amina orinasa iray nefa mbola tsy mpiasa raikitra hatrany foana. Any Guinée anefa raha araka ny fanazavany dia roa taona ihany ny mpiasa iray raha ela dia lasa mpiasa raikitra tanteraka koa ahoana no tsy hahavitantsika eto Madagasikara izany. Anisan’ny antony nikarakaran’ny sendika SVS ilay Tatasika sendikaly natombony tamin’ny sabotsy hariva teo izany teny amin’ny biraony eny amin’ny 67 ha. Rehefa tsy hihaino ny fanjakana hoy izy ireo dia ny mpiasa no ezahina hampahafantarina izany mba hahalalan’izy ireo ny tokony hataony indrindra manoloana ny antsojay hataon’ny mpampiasa. Hisy hatrany moa ity tatasika sendikaly karakarain’izy ireo ity ka ho an’ireo tsy afaka manatrika izany mivantana dia azony hatao ihany koa ny mandray fanazavana ao anatin’ny tambajotran-tserasera facebook-n’ny sendika.
Pati

 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap
16-avril-2024

Tsy mbola voavaha ihany fa vao mainka miharatsy ny olan’ny rano ao anatin’ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano.

Card image cap
16-avril-2024

Miaina anaty tahotra sy tebiteby ny ankamaroan’ireo mponina ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano

Card image cap