Voatery nampiakatra ny vidin’ny mofogasy ho 200 Ar noho izany ireo mpivarotra sasany raha misy mahatratra 300 Ar ny an’ny sasany. Nandray ny andraikitra tafindry azy araka izany ny Ministeran’ny varotra sy ny fanjifana. Tonga namatsy siramamy Namakia teny amin’ny 67ha, Anosizato, Namontana, Ambohimanambola, Mahazo ary Manjakaray izy ireo ny faran’ny herinandro teo. Nanaterana siramamy Namakia mivantana mihitsy izy ireo mba hitsinjovana ny mpanjifa manoloana ny mety ho fanararaotana amin'ny fampiakarana ny vidin'entana. Tsy maintsy amidy amin’ny vidiny 3.200Ar araka izany ny siramamy iray kilao manomboka izao ary tsy maintsy hisy ny mpanara-maso. Na izany aza anefa hatramin’ny faran’ny herinandro teo dia mbola betsaka ireo mpivarotra tsy nahazo ity siramamy Namakia ity. Miantso ny ministera araka izany ireo mpivarotra mba ny tsena rehetra no hovatsiana fa tsy ny eto an-drenivohitra.
Nangonin’i Pati
Legende : Mangataka siramamy azo amidy mora avokoa ny ankamaroan’ireo mpivarotra
Mila tsy ho azo vidiana intsony ny legioma ao Mahajanga ao. Misy mivarotra 7.000 Ariary ny kilaon'ny karaoty,
Mahazo vahana raha araka ny nambaran’i Haingotiana Mamy Bernard ny kolikoly ao amin’ny fonjaben’i Betroka.
Raha tsiahivina, ny « Entreprise de l’année » dia fanasokajina orinasa nokarakarain’ny MEMENTO hampilaharana
Ny 1 may no nanomboka nihatra ny fanondrotan-karama, hoy ny Randrana sendikaly. Nandray ny mpiasam-panjakana ny faran’ny volana may, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga.
Nanomboka omaly 25 janoary hatramin’ny rahampitso io any Dakar Sénégal, ao amin’ny Centre international de Conférence Abdou Diouf (CICAD)
Anisan’ny faritra nitondra faisana vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Cheneso ny Faritra Melaky. Ny any Bekopaka no tena lasibatra tamin’izany nahitana tokantrano miisa 10 raha am-polony kosa ireo traboina.