airtel

Sosialy

12-janv-2021

Sosialy

Soaniedanana PK 67 Ho avy ny voly vary sy legioma ary fiompiana trondro

Sample post image

Mitohy hatrany ny asa fanasoavana ny mpiara-belona tanterahin-

12-janv-2021

 

 

 

dRafanomezantsoa Jean Nirina, filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy. Tsy mba ny hanam-bolabe any amin’ny banky na ny hanan-karena mihoampampana mantsy no tena tanjona fa ny hamboly fihavanana amin’ny olon-drehetra sy hanampy ny mpiara-belona hahafahana miady amin’ny fahantrana. Fanamby hapetrany vaovao araka izany manomboka amin’ity taona 2021 ity ny hanangana orinasa hanamelo-maso ny tany indray. Aminy mantsy dia ny fiverenana amin’ny tany ihany no hany vahaolana tokana hahafahana manavotra ny sosialim-bahoaka raha tiana handroso Malagasikara. Anisan’ny hanaovany ezaka goavana eny amin’ny PK 67 Soaniedanana ohatra ny voly vary an-tanety hanalana ny Malagasy amin’ny fihinanana vary avy any ivelany efa feno akora simika. Toraka izany koa ny fiompiana trondro sy ny fambolena legioma. Olona an-jatony no efa tapa-kevitra hanao izany asa goavana izany hipetraka eny Soaniedanana nanomboka ny faran’ny herinandro teo. Mbola ny fikambanana HAFARI avokoa no hiantoka ny momba azy ireny sy ny zavatra ilainy amin’izao fiaingana izao fa aorian’ny 3 volana kosa dia efa afaka hiady amin’ny herim-pony manokana izy ireny raha manao ezaka tsara. Tsiahivina moa fa fahombiazana tanteraka no azon’ny fikambanana tamin’ilay fampisehoana goavana notanterahiny teny Soaniedanana tamin’ny sabotsy 10 janoary teo. Olona marobe no tonga nanotrona ny lanonana teny an-toerana ary samy niaiky fa ny olona no harena sy hahafahana manavotra ny firenena toy ny fanamby hapetraky ny filoha nasionalin’ny HAFARI hahafahana miady amin’ny fahantrana.

Pati

 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap