airtel

Sosialy

06-juil-2021

Sosialy

Soavinandriana Itasy Toaka gasy 500 litatra indray no tratra

Sample post image

Ahitam-bokany hatrany ny ady amin'ny zava-mahadomelina hataon'ny kaomiseran'ny Soavinandriana Itasy sy ny ekipany.

06-juil-2021

Taorian'ny nahatrarana rongony maro be, vao tsy ela akory izay dia sarona ihany koa ny toaka gasy 500 litatra, ny faran’ny herinandro teo teny amin'ny tobim-piantsonan'ny taksibrosy.Nandritra ny fisafona nataon’ny polisy no nahitana ireo toaka ireo. Nentina natao famotorana ny tompony izay lehilahy vao 32 taona monja, manam-bady sy zanaka 3, avy any Ankaranana.Fantatro, hoy izy, fa henjehan'ny lalàna ny fanaovana, fitondrana sy fivarotana toaka gasy fa nataoko ihany satria io no mba famelomako ny vady aman-janako. Raha araka ny fantatra dia efa 8 taona izy no nanaparitaka sy nivarotra toaka gasy tany Soavinandriana Itasy. Tsiahivina moa fa tsy nolanian'ny antenimieran-doholona ny lalàna avy amin'ny antenimieram-pirenena, manome falalahana ny toaka gasy. Midika izany fa mbola voararan’ny lalana hatrany ity vokatra ity.Isan'ny mitarika hatrany amin'ny fahavitàna heloka bevava, toy ny fanolanana sy ny vono olona moa ny fandraisana zava-mahadomelina tahaka izao, araka ny filazan’ny mpitsabo.
Nangonin’i Pati

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap