eto Madagasikara ho an’ity taona ity, raha ny tomban’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena na ny FMI, tao anatin’ny tatitra mahakasika ny revio momba ny FEC (Facilité élargie de crédit). Raha ny efa nambaran’ny Tale mpanatanteraky ny FMI eto Madagasikara tany amin’ny jona 2023, dia iankinan’ny toekarena ny fahasarotana maneran-tany sy ny tranga ara-toetr’andro mahery vaiika izay lasa miteraka tsindry ara-toekarena. Taratry ny fiiantraikan’ny olana ara-toetr’andro izay namely tamin’ny fiandohan’ny taona 2023 ny zava-misy ankehitriny, ankoatry ny tombana mifandraika amin’ny fihisatry ny fiakaran’ny toekarena maneran-tany sy ny fahasarotana afa-pitantanana, toy ny zava-misy miantraika amin’ny sehatry ny lavanila. Isan’ny mampahery vaika ny sondro-pidim-piainana ny fiakaran’ny vidin’entana iraisam-pirenena, indrindra fa ny tontolon’ny sakafo tahaka ny vary ; ny fiakaran’ny vidin-tsolika izay nahatratra 43% teto amintsika tamin’ny jolay 2022, ny fiakaran’ny sandan’ny fanafarana entana,… hany ka tany amin’ny aprily 2023, ohatra, dia voalaza fa tafakatra 12,1% ny sondro-bidim-piainana. Vahaolana hatrany ho antsika ny miezaka mamokatra izay filàna azo vokarina eto. Sady miezaka mamokatra no miezaka hanana ambim-bava mba hanondrana satria raha ny ara-tsakafo, ohatra, dia miezaka mifehy ny fanondranana ireo firenena mpamokatra vary, ary misy aza ny efa nanatsahatra ny fanondranana, ka antony iray mampiakatra azy. Izay zavatra tsy maintsy hafarana any ivelany sisa no tokony hamoahana vola, saingy nisy fotoana teto amintsika, ny Filoham-pirenena mihitsy no nirehareha fa ny fanafarana PPN 20 sambo no atao hoe : fandrosoana, ary tsy afaka hiandry vary 2 taona vao miakatra, hoy izy tamin’izany. Mila mitodika amin’ny politikan’ny famokarana, fa tsy ho firenena mpanafatra lava sy ho fanarian’ny vahiny ny fakofakon’entany eto hatrany. Atao mahagaga ve raha tafanika 5000Ar ny sandan’ny 1euro saingy mbola sahiny ny miteny fa raha tsy nahay nitantana izy efa 10000Ar io?
Toky R
Toy ny mahazatra, mipatrapatraka ny fampanantenana sy ny filazana fa miasa sy