airtel

Sosialy

15-avril-2022

Sosialy

SOS Village d’enfants Nanampy ireo toerana fitaizana zaza kamboty

Sample post image

Miezaka hatrany manampy ireo ankizy sahirana sy kamboty eto amintsika ny fikambanana SOS Village d’enfants.

15-avril-2022

Ankoatra ireo raisiny an-tanana mivantana dia misy ihany koa ny fanampiany manokana ireo ankizy beazina eny anivon’ny akany tamin’ny alalan’ilay tetikasa Quapem, izay nifarana tamim-pomba ofisialy omaly rehefa naharitra 3 taona. Akany miisa 11 manerana ireo faritra efatra no nahazo tombontsoa tamin’izany dia ny Faritra Analamanga, Vakinankaratra, Vatovavy Fitovinany ary Atsinanana. Nomena fitaovana ireo akany ireo hahafahany mikarakara ny ankizy no sady nomena fiofanana ihany koa ireo tompon’andraikitra mba hanara-penitra ny fandraisana an-tanana azy ireny. Izany rahateo no tanjon’ity tetikasa ity. Nisy araka izany omaly ny fanaovana tatitra ny zava-bita ka nahafantarana fa nihabo hatrany ny ezaka natao ary ezahin’ireo akany hotazonina. Na izany aza ity ny tetikasa no hifarana fa ny fanampian’ny SOS Village d’enfants ireny ankizy kamboty sy sahirana ireny dia mbola hitohy hatrany. Tonga nanatrika ny fifanaranan’ny tetikasa omaly ireo tompon’andraikitra eny anivon’ny akany, notarihin-dRazafiarimanana Fidelinah Hanta Razafiarimanana Fidelinah Hanta, tompon’andraiki-paritra eto Analamanga, misahana ny tetikasa Quapem.
Pati
Legende : Rtoa Razafiarimanana Fidelinah Hanta, tompon’andraiki-paritra eto Analamanga, misahana ny tetikasa Quapem
 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap