indrindra fa ny vary izay foto-tsakafon’ny Malagasy. Nisondrotra avo roa heny ny fiakaran’ny vidin’entana ilaina amin’ny adavanandro. Raha tsy lazaina amin’ny vary izay nanodidina ny 450Ar, 550Ar izany tamin’ny 4 taona lasa, ankehitriny kosa efa tafiakatra 1000Ar ny iray kapoaka. Etsy andaniny anefa, hita ho tsy mahava olana sy mitaza potsiny ny mpitondra. Ny mpitondra izay zary lasa mandatsa vahoaka amin’ny sehoseho sy ny hoeraoera. Efa latsaka an-katerena tanteraka ny firenena satria ny vahoaka mihintsy no miraviravy tanana noho ny fahantrana lalina mianjady amin’izy ireo. Tsy mampiana-janaka intsony ny akamaroan’ny vahoaka noho ny hasarotan’ny vidim-piainana. Ao ireo mihinana tapa-kibo na mandry fotsy mihitsy aza, eny tena mikaikaika ny valalabemandry fa tsy mahita vahaolana, mitady izay ho arapaka sisa. Manjaka ireo tsy maty manota manabado vahoaka amin’ny fividianana azy ireo amin’ny vary masaka. Mba rahoviana vao hisy hijery ifotony izao fahoriam-bahoaka izao ? Noho ny fiakaran’ny vidim-piainana sa tetika maty paika hangalana ny vaton’ny mpifidy amin’izao akatoky ny fifidianana izao ? Ambava homana tompoko!
Princy Lucas (miza-draharaha)
Sary fanehoana