airtel

Sosialy

18-mars-2022

Sosialy

Sosialy Mbola vitsy ny Malagasy manana fiantohana ara-pahasalamana

Sample post image

Mbola vitsy amin’ny Malagasy no manana fiantohana ara-pahasalamana sy amin’ny fiainana ankapobeny mihitsy eto amintsika.

18-mars-2022

Tsy vitsy anefa ireo tena sahirana mafy rehefa sendra tojo tsy fahasalamana ka sanatria miditra hopitaly na koa hampiditra mpianatra hianatra. Izany indrindra no nanosika ny banky BNI Madagascar hiara-kiasa amin’ny Sanlam Assurance entina hanampiana ny mpiara-belona. Nampahafantarina tamim-pomba ofisialy afak’omaly ny fisian’io tolotra vaovao io. Anisan’ireny ny tolotra Assurance hospitalisation Tomady ho an’ireo tojo tsy fahasalamana. 10.000 Ar isam-bolana ny latsak’emboka aloha amin’izany dia voaray an-tanana ny fahasalamana raha sanatria ka tojo olana. Toraka izany koa ilay assurance education Tafita. Miompana ranoray amin’ny resaka fianaran’ny ankizy eny anivon’ny sekoly ambaratonga ambony izy ity . Amin’ny alalan’ny fanaovana tahirim-bola no hahafahana misitraka izany. Ho an’ilay Assurance Miarina izay antoka ho an'ny ankohonana kosa indray dia natao hanampiana ny ao an-tokantrano mihitsy izy ity. Ireo tolotra rehetra ireo moa dia mitombo avokoa mety hahazoana zana-bola hatramin'ny 10% isan-taona izy io raha manomboka amin’ny 100. 000 Ar isam-bolana farafahakeliny ny latsak’emboka aloha.
Pati
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap