tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 26 Mai 2023

airtel

Sosialy

STOI, MINAE, Yuan’s international Hamatsy vary safiotra ireo traboinan’ny rivodoza

Natolotra tamin’ny fomba ofisialy omaly hariva tetsy amin’ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana etsy Anosy ny vary safiotra 5 taonina sy zezika biolojika na zezika taroka 5 taonina

10-févr-2023

Sample post image

ihany koa hamonjena ireo traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso farany teo teto Madagasikara. Fiaraha-miasan’ny orinasa tsy miankina STOI sy ity minisitera ity na MINAE ary ny orinasa sinoa namokatra voalohany ity karazam-bary ity, Yuan’s international, izay miasa eto Madagasikara izy ity, hoy ny fanazavana. Tanjona ny hahafeno hanampamokarana na fitaovana enti-mamboly ho an’ireo tantsaha mba hahafahan’izy ireo mihoitra taorian’ny fahavoazana, hoy ny minisitra Harifidy Ramilison. Iaraha-mahalala, hoy ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny orinasa STOI, Tahiana Razanamahefa, fa manodidina ny 3t/ha isan-taona no vokatra azo hatreto amin’ny karazam-bary mahazatra antsika, raha toa ka 12t fara-fahambaniny ary mety hahatratra 15t/ha mihitsy ho an’ny karazam-bary safiotra. 5 taona moa no fifanarahan’ny minisitera sy ny sehatra tsy miankina hanapariahana ny voly vary safiotra manerana an’I Madagasikara mba hahatrarana ny tanjon’ny filoham-pirenena ao anatin’ny velirano faha 9 dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo, hoy hatrany ny fampahatsiahivana natao omaly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fanenana karama farany ambany ho 238.000 Ariary
25-mai-2023

Ireo nitazona 250.000 Ariary indray no voasazy»

Card image cap
Randrana sendikaly «Efa mieritreritra hiverina ho mpandraharaha ve ny filoha?»
25-mai-2023

Rehefa navoakan’ny filankevitry ny minisitra ny hoe 238.000 Ariary aloha ny karama farany ambany dia tadidio fa tsy mbola didy fampiharana iny fa fitanana an-tsoratra, hoy ny Randrana sendikaly.

Card image cap
Fikambanana ADFM Mijoro hanatsara ny toe-karena sy ny sosialin’ny mponina
25-mai-2023

Fikambanam-behivavy niompana tamin’ny fampiroboroboana ny asa tanana sy ny sosialy ary ny fambolena ny ADFM teny am-piandohana na ny Association pour les développement des femmes a Madagascar.

Voir plus