airtel

Sosialy

07-févr-2024

TAFITASOA ANGELICO, ZAZA VAO IRAY VOLANA

Narian-dReniny rehefa avy nivoaka ny hopitaly

Sample post image

Tsy fantatra intsony na aretin-tsaina na vokatry ny fahasahiranana lalina mahazo ny Malagasy

07-févr-2024

fa lasa ny biby indray no tia sy miaro ny zanany kokoa raha oharina amin’ireo olombelona Ray aman-dReny sasany. Zazalahy kely vao iray volana monja antsoina hoe : Tafitasoa Angelico omaly Talata 06 Febroary no napetraky ny Reniny taman’olona rehefa narary ary avy nivoaka ny hopitaly tany Toamasina. Raha araka ny vaovao dia niteny tamin’ilay olona nikarakara ny trano fidiovana ao amin’ny chirurgie ao amin’ny hopitaliben’i Toamasina ilay Reniny fa hijery zavatra kely vetivety. Tany anefa ilay Ramatoa dia tsy niverina intsony. Rehefa nantsoina indray ny Rain’ilay zaza dia namaly ihany koa fa tsy vitany hono Tafitasoa Angelico satria tsy manana nono omena azy izy. Voatery notazonin’ilay tompon’andraikitra ao amin’ny trano fidiovana ao amin’ny chirurgie ilay zaza hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay raha efa nampandrenesina kosa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Amin’ny ankapobeny moa raha tsiahivina dia adidin’ny Ray aman-dReny ny mamelona ny zanany na inona na inona fahantrana sy olana. Melohin’ny lalana noho izany izay rehetra manao fihetsika mifanohitra amin’izany. Andrasana araka izany izay mety ho tohin’ity raharaha fanariana zanaka tany Toamasina ity.
Pati
Legende : Ity ilay zaza tsy manan-tsiny !
 

Dans la même rubrique