airtel

Sosialy

24-nov-2021

Sosialy

Tahan’ny fahantrana eto Madagasikara 2 tapitrisa dolara ny vola ilaina amin’ny fanadihadian’ny INSTAT

Sample post image

7,5% ny tahan’ny fahantrana teto Madagasikara tamin’ny 9 taona lasa. Ankehitriny tsy fantatra intsony izany na miharatsy na mihatsara, indrindra taorian’ny fandalovan’ny valan’aretina Covid 19,

24-nov-2021

antony tsy maintsy hanatanterahan’ny INSTAT fanadihadiana. Tokantrano voafantina no hanatanterahan’izy ireo izany saingy manerana ny faritra 23 kosa. Mitentina 2 tapitrisa dolara mahery ny vola ilaina amin’izany ka ankoatra ny fandehanana midina eny ifotony ho an’ireo olona voakasika hanatanterahana izany dia hisy ihany koa ny fividianana fitaovana hampiasain’ny Instat hanatanterahana ny asa raha araka ny fantatra. Haharitra efa-bolana ny fanatanterahana ny fanadihadiana izany hoe : hanomboka amin’ny volana desambra. Nomarihin’ny tale jeneralin’ny Instat Atoa Isahora Zefania moa fa izao vao nisy sy hatao ity fanadihadiana ity noho ny tsy fahampian’ny ho enti-manana. Lafolafo ihany koa ny teti-bidin’ny asa hoy izy noho ny velarantany midadasika. Hiteny amin’ny anaran’ny tokantrano malagasy mantsy ny Instat aorian’izay hoy izy ka tsy maintsy tetezina ireo tokantrano vaofidy na aiza misy azy na aiza. Anisan’ny fanontaniana hapetraka amin’ireo tokantrano holalovan’ireo mpanao fanadihadiana ny asa tanterahin’ireo mpivady ao an-tokantrano, ny isan’ny olona tsy miasa, ny isan’ny zaza ateraka, ny reny, ny fandaniana ao an-trano isan’andro…..Tanjona ao anatin’izao fanadihadiana izao moa ny mba hahafahan’ny Fitondram-panjakana mamolavola tetikasa ho enti-miady amin’ny fahantrana ka anisan’ireny ny famoronana asa ho an’ny tanora.
Pati

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap