airtel

Sosialy

14-juin-2022

Sosialy

Tahiana Razanamahefa “Tsy maintsy miverina amin’ny fambolena isika”

Sample post image

Mivoatra ankehitriny ny toe-draharaha maneran-tany, hoy ny mpandraharaha misehatra eo amin’ny vary safiotra, Tahiana Razanamahefa.

14-juin-2022

Tsy afa-miala amin’izany isika eto Madagasikara, hoy izy. 2 taona isika izay niatrika ny vokatry ny COVID 19. Nisy fahaverezan-javatra sy tsy fidiram-bola tamina sehatra samihafa tao. Miverina tsikelikely isika ankehitriny amin’ny fanarenana izany vola very ara-ekonomika izany eto Madagasikara. Miditra indray koa anefa amin’ny akon’ny ady misy eo amin’I Okrainina sy Rosia. Nisy moa ny fanapahan-kevitry ny fitondrana malagasy hoe mila mametraka stratejia mahomby amin’izay isika hahatongavana amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Hisy noho izany ny fikaonan-doham-pirenena momba izany atao eny amin’ny CCI Ivato ny 16 hatramin’ny 18 jona izao hahafahana mandinika izany. Mandrisika ny vahoaka Malagasy sy ny politikan’ny governemanta Malagasy ankehitriny ireo mpamatsy vola mba hiverina amin’ny fambolena. Tsy ampy intsony ny famatsiana avy any ivelany amin’ny lafiny ara-tsakafo satria samy mitazona ny azy daholo izao ny firenena samihafa manoloana ny krizy mihatra sy mananontanona. Tsy maintsy miverina amin’ny fambolena isika, noho izany. Tantsaha ny 80%n’ny Malagasy. Betsaka ny tanimbary eto Madagasikara. Izahay moa dia resy lahatra fa ny fanapariahana ny voly vary safiotra no vahaolana lehibe iray hahafahantsika mahatratra izany fahavitan-tena ara-tsakafo izany. Efa nisy ny fakan-kevitra amin’ireo ambarantonga samihafa mikasika ity fikaonan-doha hanomboka ny alakamisy izao ity. Tany amin’ny faritra, tamin’ireo koperativa, tamin’ny alalan’ireo minisitera voakasika, sehatra tsy miankina no nanatontosa sy nanaovana izany nijerena hoe inona no hetaheta sy soso-kevitrareo na koa vahaolana hahatongavana amin’izay tanjon’ny fahavitan-tena ara-tsakafo izay? Ho aravina anatina asam-baomiera moa ny sosokevitra rehetra amin’io fikaonan-doha io mba hivoahan’ny fehinkevitr’izany avy eo. Raharahan’ny malagasy manontolo io aloha. Efa lany teo anivon’ny antenimieram-pirenena sy loholona moa ny lalana momba ny antsoina hoe “agrégation agricole” izay hahafahan’ny tantsaha miara-miasa tsy misy fantiantoka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Ny fanatanterahana ny fehin-kevitr’io fikaonan-doha io dia tena ilana ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina satria tsy mahavita tena irery ny fanjakana ary toy izany koa ny sehatra tsy miankina. Ilaina noho izany ny antsoina hoe 3P, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap