airtel

Sosialy

26-févr-2024

TALATA AMBONDRONA FARATSIHO

Tafidina 100 Ar ny vidin’ny mananasy iray, sahirana ny tantsaha

Sample post image

Mahatsiaro ho sahiran-tsaina mafy ireo tantsaha mpamokatra any Ambondrona distrikan’i Faratsiho.

26-févr-2024

Tafidina 100 Ar mantsy ny vidin’ny iray amin’ny mananasy amin’izao any an-toerana raha 300 Ar no lafo indrindra. Vokatry ny haratsian-dalana raha araka ny loharanom-baovao azo no antony mampitontonganabe ny vidin’ny mananasy tahaka izao ka tsy tongan’ny mpanangom-bokatra intsony. Toraka izany koa ireo vokatra hafa toy ny ovy, ny vary. Mbola mahazo fotsim-bary iray kapoaka any an-toerana ny 500 Ar hoy hatrany ny vaovao azo raha 100 Ar dia efa mihinana ovy hatao laoka indray mandeha ny tokantrano iray. Tsy misy vokany ny ezaka hataon’ireo tantsaha mpamokatra noho izany na dia efa miezaka andro aman’alina mba hahatsara ny vokatra vokariny aza izy ireo. Miantso ny Fitondram-panjakana ny mponina ao Ambondrona Faratsiho manoloana izany mba hitodika any amin’izy ireo.
Pati
Legende : Dakan’ny alika tahaka izao ny mananasy ao Ambondrona Faratsiho ao !
 

Dans la même rubrique