airtel

Sosialy

24-juin-2022

Sosialy

Talatamaty Nampiana ny sahirana, notsinjovina ny zokiolona

Sample post image

Tsy nanadino ireo zokiolona rehetra ao amin’ny kaominina iadidiany ny Ben’ny tanànan’i Talatamaty Raharinoasy Elie Dominic. Tonga nitety ireo Fokontany 12 isa izy sy ireo mpiara-miasa aminy omaly,

24-juin-2022

hetsika nosantarina tao amin’ny Fokontany Faralaza sy Tanjondava. Miisa 600 eo ho eo ireo zokiolona notolorana solombody akoho tamin’izany raha miisa 1200 kosa ireo sahirana notolorana fotsim-bary, menaka….Tanjona raka araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna ny hamalifaliana sy hanampiana ny rehetra amin’izao fahatongavan’ny fetin’ny Asaramanitra izao indrindra fa ireo tena sahirana sy tsy afaka miasa intsony. Narahin’ny Ben’ny tanana fanontaniana mikasika ny olan’ny mponina tao amin’ireo Fokontany nolalovany izany. Ho an’i Tanjondava manokana dia fantatra fa ny jiro no tena mbola mampahory ireo mponina hahafahana manazava ny tanana sy ho enti-miady amin’ny tsy fandriampahalemana. Toraka izany koa ny tetezana….Nambaran’ity Ben’ny tanàna ity fa hojerena manokana ireo olan’ny mponina ao Tanjondava ireo. Na izany aza dia hisy sahady tatitra hataon’ny Ben’ny tanana mikasika ny asa vitany tao anatin’ny 2 taona sy tapany rahampitso Sabotsy 25 Jona. Eo an-tampon-tanànan’i Talatamaty no hanatanterahany izany, mba tsy haha tompon-trano mihono ny vahoaka no sady ilazany ireo asa mbola tsy vitany ihany koa. Hofaranana amin’ny matso lehibe handraisan’ireo orinasa, fikambanana, mpianatra anjara izany mialohan’ny hisian’ny fampisehoana goavambe sy maimaimpoana ho an’ny rehetra. Fandefasana afomanga manomboka amin’ny 07 ora hariva kosa no hamaranana ny lanonana raha alim-pandihizana faobe no hanakatonana azy tanteraka mandrapaharainan’ny andro. Marihina moa fa notoloran’ny kaominina fanomezana daholo ihany koa ireo mpiasa mampandeha ny raharaham-panjakana rehetra ao aminy omaly hariva hahafahan’izy ireo manao fety sambatra miaraka amin’ny vady aman-janany.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ny fanampiana omaly teny amin’ny Fokontanin’i Tanjondava
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap