airtel

Sosialy

19-sept-2022

Sosialy

Tambim-pandehanana misotro ronono “Ampiharo ny didim-pitsarana mba tsy hanenenana”

Sample post image

Manamafy ny fitakiany ny fampiharana ny fandoavana ny tambim-pandehanana misotro ronona na ny “Indemnité d'installation à la retraite” ny sendika sy ny solontenan’ny mpiasam-pirena misotro ronono araka ny fanambarana

19-sept-2022

nataon’izy ireo ny sabotsy 17 Septambra 2022. Tsy naloan’ny Fanjakana izany nanomboka ny taona 2018 satria nisy ny naoty navoakan’ny Minisiteran’ny vola nentina nanafoanana azy io. Nitondra ny raharaha teny anivon’ny Fitsarana anefa izy ireo ny taona 2019, ka ny volana novambra 2019 dia nahazo rariny teny anivon’ny Fitsarana amin’ny tokony hanefana ny volany, araka ny didim-pitsarana laharana 039/CEP/ tamin'ny 06 Aprily 2022. Tsy nohajain’ny fanjakana anefa io, ka tsy manaiky lembenana ireo mpiasam-panjakana misotro ronono, ary nampitandrina. Manamafy Komity nasionalin’izy ireo tamin’ny alalan’ny fanambarana novakian’Atoa Randriamihamina Alphonse Sekretera Jeneralin’ny SEFPONAM (Syndicat Eveille Fédérale de la Police Nationale), fa mitohy hatrany ny fanangonana ny antotan-taratasy rehetra entina mitaky ny fandoavana ny vola sisa tsy azo mahakasika io “Indemnité d'installation à la retraite” io araky ny lalàna laharana 2003-011 tamin'ny 03 Septambra 2003 sy ny didim-panjakana laharana 2003-993 tamin'ny 07 Oktobra 2003 ary ny didim-pitsarana. Hitondra ny porofo rehetra eo anivon’ny Fitsarana indray izy ireo fa tsy nohajain’ny Fanjakana ny didim-pitsarana. “Mitohy ary tsy miato ny fanangonana ny antontan-taratasin’izay vonona, tombotsoa iombonana io, ary samy mahazo tombony amin’io na mpiasam-pirenena efa misotro ronona na ny mbola am-perin’asa, mil any fanatongavan-tsain’ny mpiasa rehetra manoloana ny antsojay sy ny fanaparam-pahefana izay ataon’ny mpiasam-panjakana izay maneritery, mampitahotra ary mampihorohoro ny mpiasa mba tsy hisitraka ny zo fototra sy zo feno izay tokony hositrahan’ny mpiasam-panjakana”, hoy ireo sendika sy mpiasam-pirenena misotro ronono tamin’ny alalan’Atoa Randriamihamina Alphonse. “Izahay tsy ny Fanjakana no mandoha ny karamanay fa ny firenena, ka noho izany, mitaky araka ny lalàna. Omeo mba tsy hanenana, miteny mahitsy tsara izahay: omeo amin-kitsim-po mba tsy hisian’ny resaka politika any ambadika any mba tsy hanenenareo mpitondra. Tapitra ny iray volana nomen’ny Fivoriambe nisiana mpanotrona hatrany amin’ny 600 teny Ankatso, efa mihoatra izao, ka noho izany, aoka tsy harirarira fa zonay io”, hoy kosa Ramamonjisoa Florentin avy amin’ny F3M nanamafy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap