airtel

Sosialy

10-mai-2022

Sosialy

Tanàna madio sy milamina Tokony hanadio izay tandrify azy ny tsirairay

Sample post image

Tsy tokony hiandrasana ny hafa hibaiko na koa hiandry fanentanana ny tsirairay vao hahay hanadio ny faritra misy azy.

10-mai-2022

Miantoka zavatra maro loha tokoa mantsy ny fahadiovan’ny tanàna iray toy ny fahafahana misoroka ny aretina maro isan-tsokajiny, hafinaretan’ny maso ihany koa ny tanana madio no sady fanabeazana omena ny rehetra. Ny mampalahelo anefa dia maro amin’ireo olona eny anivon’ny fiaraha-monina no tsy mahatsapa izany. Misy aza ireo efa mahita fanariam-pako saingy malain-kisasatra ka mamorona toeran-kafa hanariana izany eny akaikiny arahin’ny fanariana sachet plastika anaty tata-drano sy ireo pot feno maloto. Misy ny hetsika fanadiovan-tanana tanterahina ho an’ny kaominina Talatamaty ho fiomanana sahady amin’ny fiatrehana ny fetim-pirenena 26 jona. Ankoatra ilay hetsika fanao in-telo isam-bolana dia misy ihany koa ny hetsika hataon’ny Fokontany tsirairay avy izay hitohy amin’ilay asa tagnamaro iarahana amin’ny rehetra ato ho ato. Ny isan-tokantrano mihitsy no tairina sy hetsehina mba handray anjara amin’izany raha araka ny fanadihadiana natao. Ny fanovana ilay toe-tsaina ho tia madio sy hahay hifanaja mihitsy moa raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna no tena zava-dehibe fa fanombohana ihany ny fanentanana tahaka izao.
Pati
Legende : Misoroka aretina maro no sady hafinaretan’ny maso ny tanàna madio
 

 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap
16-avril-2024

Tsy mbola voavaha ihany fa vao mainka miharatsy ny olan’ny rano ao anatin’ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano.

Card image cap
16-avril-2024

Miaina anaty tahotra sy tebiteby ny ankamaroan’ireo mponina ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano

Card image cap