ny harivan'iny ihany nijery akaiky ny zava-misy marina. Ny jiro mandeha amin'ny masoandro sy jiro cobra avy amin'ny JIRAMA no vahaolana naroso avy hatrany nentina nanampiana ny mponina ary miisa 4 kosa no vahaolana maharitra haroso ny vahoaka, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Ho jerena miaraka amin'ny JIRAMA ny hampisitrahana jiro ny mponina ao Tsarahonenana amin'ny vidiny mirary, zakan'ny mponina. Isany hampisitrahana ny tetikasa "Branchement mora" ihany koa ireo tokantrano marefo any an-toerana. Soloina ny "transfo" izay efa tena antitra ka mahatonga ny vaika ho ambany dia ambany ao amin'ny fokontany Ambatomitsangana. Ezahana anaty volana vitsivitsy ihany koa ny hisarihana jiro ho tonga eny amin'ny Tanàna Masoandro. Tsy minisitra miandry birao aho, hoy ny minisitra ary tsy minisitr'Antananarivo irery fa hanazava an'ny Gasikara manontolo no tarigetrako, eny fa na ny tanàna faran'izay ambanivohitra indrindra aza, manana zo hisitraka izany avokoa, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Legende: Ny ben’ny tanàna (havia amin’ny sary) sy ny minisitra
Miverina indray ny fitakiana vatsim-pianarana eny amin’ny anjerimanontolo. Raikitra ny grevy teny amin’ny Sekoly ambony politeknika Vontovorona omaly. Niditra tamin’ny fanakanan-dàlana sy fandorana kodiarana.
Nampaneno lakolosy ny depioten’i Morondava Christophe Tsiliva Didiot omaly nandritra ny fihaonan’ny solombavambahoaka sy ny governemanta omaly,
Nankatoavin’ny Banky Iraisam-pirenena ny fandaharan’asa FSRP (Programme de résilience des systèmes alimentaires pour l'Afrique de l’Est et australe) misy famatsiam-bola mahatratra 2,3miliara dolara.