Lohalaharana amin’ireny ny fametrahana jiro an-dalambe raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Randriantsoa Jimmy, hahafahana miady amin’ny tsy fandriampahalemana. Hahazo tombony manokana amin’izany ny Fokontany Mahitsy, Ankadiaivo ary Mahatsinjo. Hosoloina daholo ihany koa ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro nalain’ny mpangalatra hatramin’izay hahafahana manazava ireo lalankely sy ny arabe hifamezivezen’ny fokonolona. Mikasika ny resaka fanatanjahantena kosa dia fantatra fa hamboarina ilay kianja sentetika ao Ambohidrazaka hahafahan’ny mpilalao tena miala voly fa tsy hihosom-bovoka intsony. Hotohizana hatrany ihany koa ilay lalao iadiana ny amboaran’ny Ben’ny tanàna. Mikasika ny resaka sosialim-bahoaka moa dia hitohy amin’ity taona ity ny fizarana sakafo maimaim-poana ho an’ireo ankizy mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE raha hojerena manokana ihany koa ireo hiatrika ny fanadinam-panjakana BEPC. Hisy ihany koa ny fizarana fanomezana ho an’ireo sahirana sy zokiolona mandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona.
Pati
Legende : Jimmy Randriantsoa, Ben’ny tanànan’ny kaominina Alasora
Mila tsy ho azo vidiana intsony ny legioma ao Mahajanga ao. Misy mivarotra 7.000 Ariary ny kilaon'ny karaoty,
Mahazo vahana raha araka ny nambaran’i Haingotiana Mamy Bernard ny kolikoly ao amin’ny fonjaben’i Betroka.
Raha tsiahivina, ny « Entreprise de l’année » dia fanasokajina orinasa nokarakarain’ny MEMENTO hampilaharana
Ny 1 may no nanomboka nihatra ny fanondrotan-karama, hoy ny Randrana sendikaly. Nandray ny mpiasam-panjakana ny faran’ny volana may, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga.
Nanomboka omaly 25 janoary hatramin’ny rahampitso io any Dakar Sénégal, ao amin’ny Centre international de Conférence Abdou Diouf (CICAD)
Anisan’ny faritra nitondra faisana vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Cheneso ny Faritra Melaky. Ny any Bekopaka no tena lasibatra tamin’izany nahitana tokantrano miisa 10 raha am-polony kosa ireo traboina.