airtel

Sosialy

19-févr-2024

Tandindonin-doza ny mponin’Anosibe

Ahiana hirodana ny trano iray manamorona arabe

Sample post image

Ahiana hirodana ny trano iray manamorona arabe etsy Anosibe manoloana

19-févr-2024

ny zava-nitranga hatramin’ny alin’ny 16 febroary teo teny an-toerana. Ny eo amin’ny fiantsonam-piara fitateram-bahoana na « arrêt-bus » akaikin’ny Pharmacie Volahanta taloha no tena tiana ho resahana eto, raha ny fampitam-baovao voaray. Nianjera ny harivan’ny zoma teo ny manoloana ny lavarangan’ilay trano gasy manamorona tsena eo an-toerana taorian’iny rotsak’orana naharitra iny. Raha ny tazana anefa dia toy ny tsy misy taitra akory ireo mpivarotra sy mpampiasa lalana eo an-toerana. Miandry ny fandraisan’andraikitr’ireo tomponandraikitra.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique