airtel

Sosialy

28-mars-2023

Sosialy

Tantsaha ao Antanifotsy Mahatsiaro ho resy, 500 Ar monja ny paoma iray kilao

Sample post image

Mahatsiaro ho resy amin’ny asa fivelomany sy ny fihariany tanteraka ireo tantsaha mpamokatra ao anatin’ny distrikan’Antanifotsy.

28-mars-2023

Tafidina 500 Ar mantsy amin’izao ny iray kilao amin’ny paoma toy ny ao Antsapandrano. Mivarotra fatiantoka izy ireo vokatr’izany. Tsy nisy vokatra ireo ezaka natao tamin’ny asa famokarana toy ny fikarakarana ny paoma, ny fiambenana izany amin’ny alina, ny fividianana fanafody bibikely…ka mampitaraina fatratra azy ireo. Noho ny haratsian-dalana any an-toerana moa no voalaza fa mahatonga izany ka tsy hahafahana mamoaka ny vokatra ara-dalàna. Saika nampanantena ny hanao sy hanamboatra io lalana io avokoa anefa ireo olom-boafidy nanao fampielezan-kevitra tany an-toerana saingy nijanona ho resabe fotsiny izany hatreto.
Pati
Legende : Fanampiana no ilain’ny tantsaha fa tsy fanararaotana sy fanambakana
 

Dans la même rubrique

22-sept-2023

Efa manomboka miditra mian-dalana mankany amin’ny vanim-potoanan’ny hafanana isika eto an-drenivohitra amin’izao.

Card image cap
21-sept-2023

Miakatrabe ny ranomasina any amin’ny Faritra Atsimo Andrefan’ny Nosy.

Card image cap