airtel

Sosialy

10-août-2022

Sosialy

TANTSAHA MPAMOKATRA Lasa olana goavana ny halafosan’ny zezika

Sample post image

Tsy ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ihany no miaka-bidy eny an-tsena amin’izao. Ho an’ireo tantsaha mpamokatra ihany koa mantsy dia midangana izaitsizy ny vidin’ny zezika,

10-août-2022

raha olana hafa ihany koa ny vidin’ny masomboly hahafahana manatanteraka ny teknikam-pambolena mifanaraka amin’ny toetr’andro. Fantatra izany omaly nandritra ny atrikasa notanterahin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny tetikasa Papriz, tetsy amin’ny le pave Antaninarenina. Raha araka ny fanazavan-dRtoa Zoelinirina Patricia, mpandrindra nasionalin’ity tetikasa ity dia efa nisy ny fametrahana paikady sy teknikam-pambolena novolavolain’izy ireo. Faritra 23 no efa nanatanterahan’izy ireo ny tetikasa izay efa tafakatra 5 hetsy taonina isaky ny ha ny vary miakatra. 2 taonina isaky ny ha kosa ny vokatra farany ambany indrindra izay mbola hanaovana ezaka manokana. Efa mihoatra ny 70.000 isa moa ireo tantsaha mpamokatra miaina sy mampihatra ity tetikasa hiarahana amin’ny Papriz ity ankehitriny manerana ny Nosy ka mbola ezahin’izy ireo hatrany ny hanohy izany.
Pati
Legende : Rtoa Zoelinirina Patricia, mpandrindra nasionalin’ny tetikasa Papriz 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap