airtel

Sosialy

04-août-2021

Sosialy

Tany eny Ankadiefajoro Andoharanofotsy Naneho ny hafaliany ireo mponina nomena azy

Sample post image

Taorian 'ny fidinana ifotony teny Ankadiefajoro Andoharanofotsy, fokontany Morarano Atsimondrano , izay faritra nihaviany ihany koa, nataon’ny depiote Naivo Raholdina

04-août-2021

 mivady sy ny mpiara -miasa aminy ny alakamisy 22 jolay lasa teo ka nihainoany ny fitarainan'ny mponina sy ireo mpikambana « Madagascar Alzheimer Masoandro Mody » fa efa tamin'ny taona 2005 no tsy hita ny dosiean' izy ireo izay mirefy 1ha 96a 94ca dia naneho ny hafaliany ireo mponina raha tonga nanatitra ny "Certificat de situation juridique " teny an-toerana ny depiote, Naivo Raholdina mivady sy ny ekipa manamarina fa « mise à la disposition gratuite » amin 'izy ireo io tany io ankehitriny rehefa notadiavina nandritry ny herinandro mahery ka hita ihany ary niasana hatramin'ny faran'ny herinandro ny fikarakarana izany. Isaorana manokana ny Minisitera Fanajariana ny Tany, ny tale jeneraly misahana ny fananan-tany na « domaine » sy ireo mpiasa niara-nisahalahy tao amin'ny « domaine » sy « topo » rehetra nikarakara an'izany fa tsy mba nihevitra ny depiote Naivo Raholdina ho mpanao « intervention », hoy ity depiote ity. Fantatra ihany koa fa tanim-panjakana teo aloha ilay lalana nisy nanampina teny an-toerana ihany ka efa manao fangatahana ny hamerenana izany ho lalam-pokonolona ihany koa i Naivo Raholdina, hoy ny fampitam-baovao.Toy izany koa ny tokontanim-pasan'ny taranaky ny printsy Ratsimamanga eny Ambohidrapeto ,tanim-panjakana izay lasan 'ilay vadim -bazaha monina any Antsiranana ka efa nanao fangatahana fanafoanana an 'io ihany koa ireo taranak'Andriana eny an-toerana izay arahan'ny solombavambahoaka akaiky amin'ny maha filohan'ny vaomieran'ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany azy eny anivon'ny antenimieram-pirenena, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap