airtel

Sosialy

08-nov-2021

Sosialy

Taolagnaro sy Sambava Tonga ny vary mora 860 taonina

Sample post image

Manamafy ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana fa tsy ampy ny tolotra manoloana ny tinady ara-bary

08-nov-2021

, ka hitsinjovana ny mponina noho ny tsy fahampian'ny vary eny an-tsena ary hiatrehana ny maintso ahitra ireo vary ireo ny fanapariahana vary mora. Tonga tao Sambava ny faran’ny herinandro teo ny sambo nitondra ny vary tsinjo milanja 460 taonina, ary toy izany ihany koa ny tany Taolagnaro izay milanja 400 taonina. Nohamafisina fa fa 2000ar/kg ary 600ar/kapoaka eny amin'ny mpaninjara. Handray fepetra hentitra ny Fitaleavam-paritry ny Minisitera raha toa misy mpandraharaha minia mandika izany vidiny ara-drariny izany. Ilaina vahaolana vonjimaika, toa itony, saingy mila manova politika tsikekely isika satria ny mpitondra ihany no milaza fa ny saran’ny fitaterana sy ny fanafarana entana dia niakatra 1000%, ka raha 2500 dolara ny saran’ny kaontenera miala any Chine mankany Etazonia, dia efa tafiakatra 25 000 dolara. Tokony hazava ny politikam-panjakana hoe: raha 80% amin’ny entana ilaintsika no hafarana amin’izao, dia tokony ho 50% ohatra sisa hatramin’ny 2023.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap