airtel

Sosialy

21-janv-2021

Sosialy

Tarif OPTIMA an’ny Jirama Tolotra vaovao hampihenana ny vidin-jiro sy rano

Sample post image

Ao anatin’ny fanatanterahana ny Velirano faharoan’ny Filohan’ny Repoblika dia

21-janv-2021

 

 

 

 

hamatsy herinaratra sy rano ho an’ny rehetra amin’ny sarany mora indrindra ny Jirama. Velirano izay mifanandrify amin’ny fanarenana ny orinasa ihany koa. Hiara-mahalala ny vesatry ny faktioran’jiro amin’ny teti-bolan’ny tokantrano tsirairay, indrindra ireo tena marefo. Teo ihany koa ny fiantraikan’ny valan’aretina Covid-19 amin’ny sehatry ny ekonomia. Ireo rehetra ireo, miampy ny fahasamihafan’ny « tarif » isam-paritra no nanosika ny Jirama hiroso haingana amin’ny fampiharana ny OPTIMA. Mizara « tarif » efatra ny OPTIMA . Ho an’ny tarif social ohatra dia natao ho an’ny mpanjifa mandany latsaky ny 100 kWh . Ny tarif économique kosa dia natokana ho an’ny mpanjifa mandany latsaky ny 150 kWh, ny tarif confort ho an’ny mpanjifa mandany latsaky ny 300 kWh ary ny tarif super confort ho an’ny mpanjifa mandany mihoatra ny 300 kWh. Ny tombony amin’ny fampiharana ny OPTIMA dia fampitoviana ny « tarifs » isam-paritra, fihenan’ny « tarif » ho an’ny maherin’ny 80%-n’ny mpanjifa, izay ahitàna tokantrano maherin’ny 455 000, fidinana hatramin’ny 15% ho an’ny tarif social rehetra ary 6 ka hatramin’ny 26% ho an’ny mpanjifa mandany latsaky ny 130 kWh isam-bolana. Miankina amin’ny fandanian’ny tokantrano arak’izany ny « tarif » safidiany. Koa entanina ny mpanjifa hanatona ny masoivoho Jirama akaiky azy na hiantso ny laharana maitso 3547 na koa ny agence en ligne ao anaty tranonkala www.jirama.mg raha mila fanzavàna fanampiny.

 Pati

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap