Notokanan'ny Fondation AXIAN sy ny FCRA (Fifanampiana Centre Rassoul Akram) tamin'ny fomba ofisialy, tao amin'ny Kaominina ambanivohitr'i Tataho, ny trano fonenana sosialy 150 sy ny sekoly Al Mahdi School II. Tetikasa roa mifameno ireo, izay maneho ny vina iraisan'ireo mpiara-miombon'antoka, dia ny fampiroboroboana ny fampandrosoana ara-tsosialy maharitra amin'ny alalan'ny fanabeazana sy ny fanomezana fari-piainana mendrika ho an'ny mponina. Anisan'ireo trano fonenana 150 naorina ny trano 50 vita amin'ny akora mateza, izay novatsian'ny Fondation AXIAN vola manontolo. Natokana ho an'ireo fianakaviana marefo ireo trano ireo, ka nomena lanja manokana ny olona manana albinisma, izay isan'ireo vondron'olona matetika iharan'ny fanilikilihana ary manana filàna manokana amin'ny lafiny fiarovana sy fialofana, saingy zara raha voajery izany filàna izany. Ny trano fonenana 100 ambiny kosa dia natokana ho an'ireo mpianatra, ka manampy amin'ny fanatsarana ny fahafahan'izy ireo mahazo fampianarana ambony. Tanjona amin'izany ny hamahana ny olana mifandraika amin'ny tsy fahampian'ny fotodrafitrasa fandraisana mpianatra any amin'ity faritra ity. Manampy ireo fotodrafitrasa ihany koa ny sekoly Al Mahdi School II. Nomena solosaina 20 sy tabilao nomerika (tableau numérique interactif) avy amin'ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny FCRA ity sekoly ity Tafiditra ao anatin'ny fiaraha-miasa maharitra eo amin'ny Fondation AXIAN sy ny FCRA izao fanokanana izao. Samy manana ny anjara birikiny ireo fikambanana roa ireo: ny FCRA no mitondra ny fifandraisana akaiky amin'ny fiarahamonina sy ny traikefa amin'ny asa sosialy, raha ny Fondation AXIAN kosa no manetsika ny loharanon-karena sy ny fahaiza-manaon'ny Vondrona AXIAN, mba hanitarana ny fiantraikan'ireo tetikasa eny ifotony. Nandray anjara tamin'ny fanatanterahana ireo fotodrafitrasa ireo ihany koa ny Comfort Aid International. Tonga nanome voninahitra ny lanonana fanolorana ireo fotodrafitrasa ireo ny Mpanolotsaina Ambonin'ny Fanavaozana, Kolonely Gervais Andriamiharitsoa; ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina, Voahanginirina Cathia Rakotoniaina; ary ny solontenan'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena.
Solotiana