airtel

Sosialy

28-oct-2021

Sosialy

Tena efa zava-doza Simenitra 25 000Ar lasa 40 000Ar

Sample post image

Miakatra izay tsy izy ny vidin'ny fitaovana fanamboaran-trano (simenitra, vy, fantsika, tafo,,...)

28-oct-2021

Tena efa tsy voafehy intsony ilay fiakaran'ny vidin'ny akora ilaina amin’ny fananganana trano ankehitriny, hoy ny mpandraharaha iray misehatra amin’ny asa vaventy. Miakatra isan'kerindro mba tsy ilazana hoe isan'andro ny vidina simenitra. “Tany amin’ny 3 volana lasa izao ny lasaka iray novidiana 25.000Ar, raha ny omaly fotsiny dia efa manafika ny 40.000ar ny iray lasaka amin’ny simenitra fanaovana béton, ilaina amin’ny fototra trano sy ny asa vaventy rehetra izy io”, hoy hatrany io mpandraharaha io. Nomarihiny fa ny tena mahagaga dia misy ny vokarina eto an-toerana izay tokony tsy hiakatra ny vidiny izany, ary misy ny hafarana avy any ivelany kanefa dia mitovy vidy izy ireo eny an-tsena. Voalaza fa misy fiakarany ny tsena iraisampirenana saingy kosa efa tsy rariny raha isan- kerinandro no miakatra satria raha manafatra entana, dia tokony ho 2 volana vao tonga aty kanefa izay simenitra tonga dia lazaina fa “arrivage” vaovao dia miakatra ny vidiny. Misy fiantraikany lehibe amin’ireo olona izay efa miroso tamin’ny fananganana trano ity fiakarana tsy mijanona ity ka mampikaikaika ny rehetra ankehitriny hoe: aiza ny fandraisaina andraikitry ny fanjakana manoloana ilay fiakarana? Sa mbola tsy miodina ilay ozinina lehibe indridra aty Afrika mpamokatra simenitra? Sa hanafatra sambo toy ny noresahina tamin’ny resaka famatsiana entana andavanandro isika hampidinana lay vidiny? hoy io mpandraharaha io. Tena mila vahaolana ilay izy sa kosa ny fanjakana sahy milaza fa ianareo no te hanao trano ka mahazaka ny vidiny ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap
22-avril-2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

Card image cap
22-avril-2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Card image cap