airtel

Sosialy

27-mai-2022

Sosialy

Tetikasa FIAVOTA Tokantrano 67 440 no nahazo tombotsoa tany Atsimo

Sample post image

Faritra roa isan’ireo miaina ny voka-dratsin’ny haintany, ny fiovan’ny toetrandro, kere,…ny ao Anosy sy Androy.

27-mai-2022

Maro ny tetikasa ho fanohanan’ny governemanta Malagasy azy ireo ka isan’izany ny tetikasa FIAVOTA, haratonaina fiahiana ny mpiara-belona, izay arindran’ny Minisiteran’ny Mponina ary tanterahan’ny FID na ny « Fonds d’intervention pour le développement ». Tao anatin’ny 6 taona nisian’ny tetikasa tany an-toerana dia tokantrano miisa 67 440 avy ao amin’ny distrikan’Ambovombe,
Tsihombe, Beloha, Bekily, Amboasary Atsimo no nisitraka tohana ara-bola manomboka amin’ny 40.000 Ariary hatramin’ny 60.000 Ariary sy tan-tsotoka maro toa ny fampianarana amin’ny fomba fampiroboroboana ny famokarana, fitaizana sy fampivoarana ny zaza madinika, fanabeazana amin’ny
fitatanam-bola sy fandraharahana, fampianarana mamaky teny sy manoratra. Kendrena ao anatin’izao fanohanana izao ny hanampy ny ray aman-dreny amin’ny fampidirana ny zanany 6 hatramin’ny 14 taona an-tsekoly ary koa ny hampandroso sy hanatsara ny seha-piharian’izy ireo.

Lalaina Rav

 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap
16-avril-2024

Tsy mbola voavaha ihany fa vao mainka miharatsy ny olan’ny rano ao anatin’ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano.

Card image cap
16-avril-2024

Miaina anaty tahotra sy tebiteby ny ankamaroan’ireo mponina ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano

Card image cap