airtel

Sosialy

27-avril-2023

Sosialy

Tetikasa “pipeline” any Atsimo Hafahafa ny fomba fiasan’ny Fanjakana

Sample post image

Hafahafa fa tsy araka ny fomba fiasa mahazatra ny fomba fiasan’ny Rajoelina amin’ny fanatanterahana ilay tetikasa fitarihan-drano na « pipeline » mirefy 97km Mandrare-Sampona.

27-avril-2023

Raha toa ka ny 22 aprily no nanaovana fihetsiketsehana be ny fanombohana ofisialy ny asa tany Ambovombe Androy, hetsika notarihin’ny Filoham-pirenena nahitana mpikamban’ny governemanta 16, dia efa taty 25 aprily ny Fanjakana Malagasy vao namoaka ny antso tolo-bidy ho an’ny orinasa izay vonona hanatanteraka ny as any Fanjakana. Anisan’ny manohana azy amin’ny alalan’ny tetikasa Mionjo ho famahana olana any Atsimo ny Banky Iraisam-pirenena vola ity tetikasa. Ny 02 jona 2023 amin’ny 10 ora tolakandro no mifarana ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo maniry ny hisitraka ity tsenam-panjakanaity. Mila manome antoka ny hahavitany ny asa ireo orinasa misehatra amin’izany ka misanda 1 030 000 000Ar ny fanatanterahana ny asa. “Rehefa nanomboka tokoa ny asa tamin'ny herintaona, dia toa tsy naloanareo ny volan'ny orin asa mpanatanteraka sasany ka nijanona izy ireo. Io siniben-drano fotsifotsy io hay efa elabe io no teo fa naverina nolokoina fotsiny dia mody nasiana loko loranjy. Ny fanontaniana manitikitika ahy dia hoe lasa aiza ary izany ilay 322 tapitrisa Ar lazaina fa navoaka tany amboalohany ? Raha dinihina maintsy, ilay loko siniben-drano izany no tena naloa vola”, hoy I Roberto Sambahita mpanaraka politika sy raharaham-pirenena. Marihina fa ny orinasa sinoa Top international Engeneering Madagascar no nahazo ny tsenan’asa tamin’io. Efa naneho I Roberto Sambahita, fa tokony ho “acier” ny fantsona mba hahazaka ny tosiky ny rano, ary ny “station de pompage” no mandeha aloha fa tsy ilay siniben-drano na “chateau d’eau” toa kely dia kely sahaza tokantrano iray. Ny serasera sy ny sehoseho hatrany ve izany no lasa aloha satria ankoatra ireo karazana tsikera sy fanamarihana teknika fa indrindra ny tsy fanekena fa fitohizan-draharaham-panjakana io, dia ny antso tolo-baro-panjakana aza mbola tsy nandeha, ny orinasa hanao ny asa tsy mbola fantatra,… Toa mampahatsiahy ilay tamin’ny lanonambe fanombohana ny fanamboarana ny RN13 ny 18 jona 2022 ihany hoe: ny fety be efa nandeha, fa ny tetiandro tena fanombohana sy ny fahavitan’ny asa tsy nisoratra tamin’ny takelaka, ny mpiara-miombon’antoka sy ny mpamatsy vola an’ilay tetikasa toa tsy dia tazana tamin’ilay lanonambe, 493 km ny RN13 saingy ny 114km izay lazaina fa efa mandeha aza mbola mila ezaka be,... Tahaka izany ihany koa ilay fametrahana vato fototry ny « voie rapide » tao Toamasina ny 04 aprily 2019 fa mandrak’ity ny androany tsy misy na 1km aza vita.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap