airtel

Sosialy

22-mars-2024

TETIKASA PRODUIR

Manangona boky hovakian’ ireo ankizy sy tanora

Sample post image

Mitohy ny fanangonam-boky tanterahin’ny tetikasa Produir eto amin’ny

22-mars-2024

tananan’Antananarivo renivohitra. Raisin’izy ireo avokoa rehefa mety ho boky mampitombo fahalalana sy mampivelatra ny sain’ny tanora sy ny ankizy raha araka ny fantatra ary mety foana ihany koa na amin’ny fiteny Malagasy na amin’ny fiteny Frantsay. Toerana miisa dimy hatreto no hahazo tombontsoa amin’ny fahazoana izany boky izany dia ny Fokontany Ambanilalana Itaosy, distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Ny ao Andohatapenaka I sy II miampy ny Fokontany Andohomadinika sy III G Hangar kosa no hahazo tombontsoa amin’izany ho an’ny eto Antananarivo renivohitra. Tanjon’ny tetikasa ny mba hahafahana manangona boky hovakian’ny ankizy sy ny tanora eny anivon’ny Fokontany ka tsy handeha lavitra intsony izy ireo vao hahita tranom-boky hanaovana fikarohana na koa hitady boky hovakiana. Boky an-jatony moa hatreto no efa voahangon’ny tetikasa, raha araka ny fantatra hatrany.
Pati
Legende : Mitondra haren-tsaina be dia be ny famakiana boky tahaka izao !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tanora loatra ny ankizy eto amintsika dia efa miroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo.

Card image cap