Mba ho fiarovana ny fahasalaman’ny mponina sy hananan’izy ireny foto-drafitrasa manara-penitra mifandraika amin’izany ary dia raikitra ilay tetikasa Rano Maharitra sy Dio Sera. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Malagasy amin’ny governemanta Amerikana amin’ny alalan’ny USAID na sampandraharaha Amerikana misahana ny fampandrosoana. Handaniana 35 tapitrisa dolara izy ity ary haharitra 5 taona. Mikendry ny fanatsarana ny fahazoana sy ny fampiasana rano fisotro madio, fanadiovana ary ny fahadiovana ho an'ny tokantrano ambanivohitra ity tetikasa ity no sady hitondra anjara biriky amin’ny vokatra ara-pahasalamana any Vatovavy, Fitovinany, Sofia, Betsiboka, Anosy, Androy ary Atsimo Atsinanana. Olona maherin'ny 742. 000 no hahazo tombontsoa amin’ny fisitrahana ezaka fanadiovana, ka ny 312.000 no mahazo rano fisotro. Toraka izany koa ilay tetikasa Diosera. 10 tapitrisa Dolara indray no holaniana amin’ity farany ka olona miisa 175.000 no hahazo tombontsoa. Tanan-dehibe miisa 3 no hisitraka izany dia ny ao Mahajanga sy Fianarantsoa ary Toamasina.
Pati