airtel

Sosialy

04-oct-2021

Sosialy

Tetikasa "Vatsin'ankohonana" Nanampy olona ho lasa mpandraharaha matihanina

Sample post image

Hita sy azo tsapain-tanana tsara ny vokatra azon'ireo ankohonana nampihatra ny tantsoroka, natolotry ny governemanta malagasy tamin'ny alalan’ny fandaharanasan’ny fitondram-panjakana "vatsin'ankohonana",

04-oct-2021

 izay tanterahan'ny FID. Santionany amin'ireo ankohonana nampihatra ireo tantsoroka ao anatin’ity fandaharanasa ity ary namorona ny fihariany manokana i Laurence, i Moratsara, i Nirina ary i Fitiavantsara. Ankoatra ireo misehatra samirery dia misy amin'ireo mpisitraka avy ao amin'ny sekoly "Sehatra Mahasoa" no mivondrona ary mamokatra zavatra iray iraisana ary aorian'izay vao misafidy ny hanohy ny seham-pihariany samirery. Ny fampiharana ireo teknika rehetra momba ny fambolena sy ny fiompiana nianarana tao amin'ny sekoly "Sehatra mahasoa" izay toerana hivondronan'ireo mpisitraka no nahazoan'ireto farany izany vokatra tsara kalitao izany. Raha ny tany amin'ny tanànan'i Mahavelo, fokontany Langisay, kaominina Ankarimbary manokana dia trano miisa 123 no efa mampihatra ireo tantsoroka avy amin'ny "Vatsin'ankohonana". Maro amin'ireo ankohonana any an-toerana aza no lasa miroso amin'ny fampiharana izany na dia tsy isan'ireo mpisitraka aza. Ankoatra ny vatsy sy ny fampiofanana maro anefa dia nampianarina nanao tahiry tamin’ny alalan’ny fivondronana ao anatin’ny «voamamy » na ny vondron’olona ao an-toerana miara-manao tahiry sy mifampidram-bola ihany koa ireo mpisitraka ny "vatsin’ankohonana" mba hahafahan’ny ankohonana tsirairay manatsara ny fiainany sy manomana ny hoaviny. Raha niainga tamin’ny fahantrana sy ny tsy fisiana mihitsy moa ireto ankohonana ireto tany am-piandohana dia efa vonona ny hiatrika ny fiainany samirery avokoa aorian'ny fahataperan'ny fandaharanasa "vatsin'ankohonana".

TORINIAINA Laurence, lasa mpiompy akoho matihanina
Be herim-po sy manana ny maha-izy azy amin'ny fiompiana akoho i Toriniaina Laurence ankehitriny. Ny fampiharana ireo teknika natolotry ny "Vatsin’ankohonana" no nahafahany nisehatra amin’ny maha-matihanina kokoa teo amin’ity seham-pihariana ity. Ankoatra ny sakafo izay mila atao ampy sy ny fanaovana vaksiny ara-dalàna mantsy dia fomba iray tena ampiharin’i Laurence ny « ady gasy », toy ny fanomezana vary sy sakay, tongolo gasy ary indrindra ny ravina mangahazo potehina, izay tena miaro ny akohony amin’ireo karazan’aretina. Efa mahafehy ny fanindromana akoho ihany koa izy . Natokany hampihanarana ny zanany roa kosa ny vola azony tamin'ny "vatsin'ankohonana" ka raha tany amin’ny EPP ireto farany no nianatra teo aloha dia nafindrany any amin’ny masera ankehitriny. Akoho 2 no nanombohany, ary manana akoho 57 izy ankehitriny.
Legende 1: Ramatoa kely TORINIAINA Laurence
MORATSARA, 63 taona, tantsaha mpampita
Iray amin’ireo tantsaha tsy nampihatra ireo teknikam-pambolena i Ramatoa Moratsara, 63 taona. Hatramin’izay nahazoany ny fiofanana amin’ny maha-tantsaha mpampita azy ao amin’ny « sehatra mahasoa » izay hivondronan’ireo mpisitraka ny "vatsin’ankohonana" anefa dia nampihatra sy nampianatra ireo teknikam-pambolena tamin’ireo namany mpisitraka izany izy ary nindrana tany mihitsy ho entiny mamokatra. Ny voly tsaramaso no tena ataony ary efa afaka miaina ara-dalàna i Ramatoa Moratsara amin’izao fotoana, efa mikarama tsara. Marihina fa nampihatra ireo teknikam-pambolena norantovony tao amin'ny Seham-piofanana "sehatra mahasoa" izy.
Legende 2 : Ramatoa MORATSARA
BAOZANY NIRINA, nanokatra ny tantely «Manatana »
Niaina tao anaty fahasahiranana i Baozany Nirina tamin’ny mbola tsy nisitraka ny fandaharanasa "vatsin’ankohonana". Tsy nety kivy anefa izy ka nandeha nisoratra anarana ho isan’ireo hisitraka izany. Rehefa tafiditra izy dia nandray ny vola fanampiana sy ny tantsoroka maro izay ao anatin’ny fandaharanasa ary nampitombo tsikelikely ny vola ka nanomboka nisehatra tamin’ny fiompiana akoho sy ny famokarana tantely, lavanila ary jirofo. Momba ny famokarana tantely manokana dia nanokatra ny tantely « manatana » izy. Ny tantely « litchi » no tena mampiavaka azy ireo ary efa manana ny toeram-pamokarany manokana, izay mahavokatra tantely hatramin’ny 40 gelikana isaky ny mandrava. Ankehitriny dia efa mahaleo tena tanteraka amin’ny fiainana Ramatoa Nirina. Efa azo lazaina ho nahatafita ireo zanany 5 satria ny vavimatoany, izay manana licence momba ny « agro-management » dia efa mpandraharaha manana ny maha-izy azy ihany koa.
Legende 3 : Ramatoa BAOZANY NIRINA sy ny zanany vavimatoa
FITIAVANTSARA, mpiompy vorontsiloza
Iray amin’ireo mpisitraka ny fandaharanasa vatsin’ankohonana i FITIAVANTSARA. Nandritra ny fisitrahany izany dia nitady fihariana vaovao ity renim-pianakaviana ity ka ankoatra ny fambolena dia niompy vorontsiloza ihany koa izy. Niainga tamin’ny vorontsiloza 2 izy, nampitombo izany tsikelikely ka tafiakatra 48 isa izany ankehitriny. Rehefa fetim-pirenena, taom-baovao, krismasy,…no fotoana tena hamarotany izany. Ny teknika nampianaran’ireo mpanentana tany amin’ny "sehatra mahasoa" moa no nampiharin-dRamatoa Fitiavantsara. Nahafahany niantoka ara-dalàna ny fampianarany ny zanany roa, nahazoany tanimbary 2, omby 3, osy 2 ary nahafahan’ny nanangana toeram-piompiana biby izany. Hahavita hizaka tena tsara i Fitiavantsara raha ny nambarany na ho vita aza ny fandaharanasa « vatsin’ankohonana ».
Legende : Ramatoa Fitiavantsara
Nangonin’i Lalaina Rav
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap
22-avril-2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

Card image cap
22-avril-2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Card image cap