airtel

Sosialy

25-avril-2022

Sosialy

Toeram-ponenana Tsizarizary ny an’ny 77% n’ny Malagasy

Sample post image

Azo sokajiana ao anatin’ireo kaominina an-drenivohitra antsoina hoe “ville secondaire” I Manakara, raha ny fanazavana momba ny fanarenana ireo toera-ponenana tsy zarizary nataon’ny tekinisianina.

25-avril-2022

Vokatra azo tsapain-tanana mikasika ny tetikasa fanaovana ireny toerana ireny na ny PPAB andiany faha 3 ny fanavaozana ireo trano fonenana ravan’ny rivodoza Batsirai, hoy ny fanazavana. Trano fonenana mafy orina manaraka ny fenitra rehetra, noho izany, no nezahana natao ary manaraka ny fiovan’ny toetr’andro. Efa maromaro koa ny asa fanatsarana ho an’ny kaominina an-drenivohitr’Antananarivo teo amin’ny sehatry ny asa fanadiovana sy fanamafisana orina ara-pitaovana sy ara-pahaiza-manaon’ny RF2, ohatra, amin’ireo fokontany miisa 4 iasan’ny tetikasa. Eo koa ny fametrahana ny atao hoe ‘’maison communautaire multi-fonctionnelle” miisa 2, izay toerana natao ho marolafy misy biraom-pokontany, sampana toeram-pitsaboana, sampan’ny BMH, toeram-piofanana maro samihafa, toerana manokana hahafahana mandray raha sanatria misy rivodoza na sahala amin’izany. Ho an’I Moramanga moa dia hisy fanatsarana ny lakandrano ao Antanamandroso atsinanana sy Antanamandroso andrefana. Vita ny andiany fahatelo moa dia izay no antony hamolavolana itony paikady fampiatiana ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro itony hahafahana miditra amin’ny fanitarana sy fametrahana indray paikady vaovao hoe ahoana no hahafahana miasa amin’ireo tanana hafa indray. 34 isa ireo “ville secondaire” na tanana itoerana fonenana tsy zarizary ireo, hoy hatrany ny fanazavana. Famatsiam-bola moa no azo anatin’ny PPAB fa tsy vola indramina. Miaina anaty toeram-ponenana tsy zarizary ny 77%n’ny mponina, hoy hatrany ny fanazavana, ka ezaka be noho izany ny hanenana azy io.

J. Mirija

 

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap