airtel

Sosialy

26-avril-2024

Tohamboivoy, rano tapaka, delestazy,…

Hazo fijaliana ho an’Antananarivo

Sample post image

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

26-avril-2024

Toy izany koa ny rano tapaka sy herinaratra tsy milamina. Iaraha-mahalala sy efa hain’ireo mponina tsianjery moa ny vokany fa tsy fandriampahalemana sy tsy fanjariana foto-pivelomana samihafa toy ireo asa miankina amin’ny angovo sy herinaratra. Iza moa no ahavisavisa 20 na 25 aty aoriana hoe i Antananarivo izay mpamonjy ny any atsimo noho ny afitsoky ny kere no miaina tsy fisian-drano maharitra toy ny any koa ankehitriny? Iza izany no mba hamonjy antsika, hoy ny mpamakafaka iray izay, raha isika mpamonjy koa aza ity taraiky? Mitohy ny fanararaotan’ireo mpanao fitateram-bahoaka amin’ity resaka manary an-dalana ny mpandeha na koa fara-faha tsarany mamindra mpandeha amina zotra hafa ity rehefa hiodina an-dalana izy ireo. Omaly hariva izao dia nahitana izany indray, ohatra, tamin’iny mianika an’Anjanahary hihazo an’Ampasapito sy ny mankany mankany iny nefa dia mbola hitanao fa ireo feno mponin’Antananarivo tratra hariva mba te hamonjy fodiana nefa dia miandry ny sitrapon’ireo mpitatitra. Hahavaha izany tokoa ve ity teleferika ity sa sanatria vao mainka hanampy trotraka ny olana efa misy, indrindra, eto amin’ity lafiny herinaratra ity? Sanatria mbola hanavesatra izay hazo fijaliana lanjaina izay ve?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-mai-2024

Mahatratra 60000m3 isan’andro ny tsy fahampiana rano eto Antananarivo amin’izao fotoana izao

Card image cap