Mampaneno lakolosy ihany koa ny any Toliara amin’izao fotoana izao, andro maromaro izao no efa niaina fahatapahan-drano lavareny ankoatra ny delestazy efa tena zava-doza. Efa herinandro mahery no tsy nandeha ny paompin-drano, ary raha misy fokontany mahazo rano dia ao anatin’ny 4 ora isan’andro ihany, hoy ny mponina any an-toerana. Voatery maka rano eny amin’ny vovo satria tsy afa-manoatra. Andaniny, milaza ny Jirama fa noho ny olana amin’ny resaka fitaterana solika mavesatra avy any Toamasina no nahatonga izany tsy fisiana jiro sy rano izany. Mitovy amin’izay ihany koa ny tranga any Mahajanga , hany ka tsy nahavaly ny filàn’ny famokarana herinaratra intsony mantsy izay solika tonga, izay nambaran’ny Jirama foibe fa misy olana noho ny tsy fahampian’ny kamio sy ny haratsian-dàlana. Nambara omaly fa efa miverina amin’ny laonina ny herinaratra ao Toliara, ary hiverina miandalana koa ny tosiky ny rano. Tsy manana antoka kosa anefa ny vahoaka amin’ny tsy hiverenan’ny olana intsony.
Toky R
Ankoatran’ny hoe tsy mihinana in-3 isan’andro intsony dia efa tsy vitsy koa ankehitriny