airtel

Sosialy

01-déc-2023

Tondro momba ny hanohanana

Faha-124 amin’ny 125 maneran-tany i Gasikara

Sample post image

Raha toa ka tany amin’ny laharana faha-119 firenena 121 isika ny taona 2022 teo amin’ny tondro maneran-tany

01-déc-2023

momba ny hanohanana na GHI (Indice mondial de la faim) dia tsy mitsahatra miharatsy izany kanefa efa tena ratsy. Navoakan’ny WHH (Welthungerhilfe) rafitra mandrefy sy manara-maso ny hanohanana maneran-tany indray mantsy, fa isika no firenena faha-124 amin’ny 125 isika izany hoe faharoan’ny farany. Fanasokajiana maneho io, fa tena fadiranovana ara-tsakafo ny firenentsika. Manamafy ny filaharana samihafa, tahaka ny navoakan’ny Banky Iraisam-pirenena fa firenena farany mahantra indrindra eto ambonin’ny tany i Madagasikara noho ny tahan’ny olona mahantra efa hatrany amin’ny 80,7%. Mbola resin’ireo firenena niady sy rotiky ny ady sy sera baomba,… Zavatra maro no mila resena, tahaka ny fitiavan-tena, fahaiza-mitantana, fahaizana mijery ny laharam-pahamehana. Voalaza mantsy fa giazan’ireo manana ny maha izy azy na «élites» ny harena, manjaka ny kolikoly sy ny tsy fangaraharahana. Tsy misy politika mazava hanatsarana ny harin-karena sy ny fampihenana ny fahantrana izay manana anjara lehibe ny sehatra tsy miankina, kanefa tena mbola madinika, tsy tena afaka mifaninana, ambany ny fampiasam-bola,... Mila fanavaozana ihany koa ny rafitra ara-toekarena eto Madagasikara izay voafetra. 90% amin’ny olona ao anatin’ny taonan’ny asa dia raikitra any amin’ny tontolon’ny fambolena sy ny sehatra tsy manara-dalàna. Tsy ampy anefa ny famokarana ara-pambolena noho ny antony maro : teknika, politika, hoenti-manana,... Ny famoronan’asa amin’ny sehatry ny indostria sy ireo sehatra tena mitondra vokatra dia tsy ampy. Ambany dia ambany ihany koa ilay antsoina hoe : « Indice de Capital Humain » na ny tondro momba ny fananana olona manana fahaiza-manao ho afaka ny ho hery ho an’ny firenena, izay zara raha 0,39 io satria atao ambanin-javatra ny fampianarana izay tena hita taratra amin’io zava-misy ankehitriny io. Dia tena hoe : ny fizarana koveta volomboasary sy fampanantenana vola 10 000 ka hatramin’ny 300 000Ar mandritra ny fifidianana mba handrombahana fahefahana ve no hahavaha an’izany ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

27-févr-2024

Tsy hisy fampandrosoana raha tsy ambony ny fahefa-mividin’ny vahoaka,

Card image cap
27-févr-2024

Ankoatra ny vidim-bary izay efa mahatratra 1050 Ar ny iray kapoaka

Card image cap
27-févr-2024

Tsy niteniteny foana izahay akory, hoy ny FISEMARE na Firaisamben’ireo mpiasa malagasy revolisionera,

Card image cap
27-févr-2024

Tsy voatery ho matotra foana kay ny olona na dia efa lehibe aza.

Card image cap