airtel

Sosialy

02-mai-2025

Tonga eto Iarivo avy eo tsy manan-kialofana

Voafitaka ny ankamaroany, fianakaviana 12 nanaiky niverina nody

Sample post image

Voafitaka ny ankamaroan’ireo olona tsy manan-kialofana tonga eto an-drenivohitra.

02-mai-2025

Betsaka ireo nalain’ny havany na olom-pantany avy any ambanivohitra mba hiasa. Rehefa misy anefa ny tsy fifanarahana dia voaroaka izy ireo ka tsy mahita aleha hany ka voatery matory eny an-dalambe manao izay hiainany fotsiny. Te-hiverina hody ny ankamaroan’izy ireny saingy tsy manana saran-dalana, indrindra fa ho an’ireo mbola mazoto hiverina hitana angady. Ho an’ireo kamo kosa dia zarany aza mivarotra harona sachet plastika, mikarama manasa lamban’olona eto an-drenivohitra….ary mamonjy fatoriana etsy amin’ny SEBA-MADCAP Isotry rehefa hariva. Raha araka ny fantatra anefa dia tsy natao ho an’ny mpatory an-dalana ity ivon-toerana ity fa natao ho an’ireo traboina vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza. Miezaka mitady vahaolana ny hamerenana azy ireny any amin’ny tany niaviany araka izany ny Ministeran’ny Mponina ka fianakaviana miisa 12 no nalefa hody any Vakinankaratra afak’omaly Alarobia 29 Martsa. Andiany faharoa izy ireo taorian’ny nankalazana ny Fetin’ny Paska raha mbola hisy ihany koa ireo hoalefa any Fiadanamanga ….Fantatra moa fa hoasiam-panamboarana ity ivon-toerana ao amin’ny SEBA-MADCAP Isotry ity no sady hitarina ihany koa.
Pati
Legende : Mahazo sakafo tahaka izao ireo tsy manan-kialofana mipetraka ao amin’ny SEBA MADCAP Isotry !
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Taratry ny fahaiza-manaon'ny tantsaha Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

«Ny fahefa-mividy tsara no ahafahana manatsara kalitao»

Card image cap