airtel

Sosialy

06-déc-2021

Sosialy

Tontolo ambanivohitra Mamelona tokantrano ny 90% n’ny vehivavy

Sample post image

Maherin’ny 80%n’ireo vehivavy misehatra amin’ny asa mbola tsy tafiditra anaty sehatry ny ara-dalana na ilay antsoina hoe “secteur informel”

06-déc-2021

 ankehitriny no very fihariana vokatry ny krizy ara-pahasalamana nateraky ny Covid 19 raha ny tatitry ny sampan’ny firenena mikambana misahana izany na INFPA tetsy amin’ny Novotel Alarobia ny sabotsy teo. Raha ny fanadihadian’izy ireo hatrany dia mbola manampy trotraka azy io koa ny fihombon’ny herisetra manjo ny vehivavy sy ny ankizy vavy hatrany amin’ny 77% ny taona 2020. Antony ilana ny fanohanana ireo vehivavy amin’ny fivoahan’izy ireo anatin’izao krizy ara-toekarena vokatry ny valanaretina izao ihany koa izany, hoy hatrany ny INFPA, nandritra ity andro nandinihin’ny tambazotran’ireo vehivavy mpitarika afrikanina eto Madagasikara ity. Ny 90%n’ireo vehivavy any amin’ny tontolo ambanivohitra dia saika mamelona tokantrano avokoa. Nanampy trotraka ny olan’izy ireo anefa ny fiantraikan’ny Covid 19 sy ny Kere, raha ny mikasika an’i Madagasikara manokana. Tanjona tao anatin’izao fifanakalozana izao, araka izany, ny fampiroboroboana ny fahaleovantenan’ireo vehivavy, ny fampandraisana anjara mavitrika azy ireo amin’ny fampandrosoana ny toekarena, ny fanamorana ny fisitrahany ireo asa eny ifotony sy fiahiana sosialy ihany koa. Tafapetraka teto Madagasikara ny 7 desambra 2020 ny tambazotran’ireo vehivavy mpitarika afrikanina raha toa ka noforonin’ny firenena mikambana tao New York, Etazonia, ny taona 2017. Miisa 500 ankehitriny ireo mpikambana ao anatiny ary tarigetra ao anatin’izy io ny resaka fitantanana, ny fandraisana anjara politika, ny fandriampahalemana sy fitoniana, ny fitantanam-bola sy fandraharahan’ny vehivavy, ny fitarihan’ny tanora, ny fambolena ary ny hetsika sosialy, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
Legende : Tetsy amin’ny Novotel ny sabotsy teo
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap