airtel

Sosialy

28-févr-2023

Sosialy

Tontolon’ny zaitra “Mila mifamelona isika Malagasy”

Sample post image

Tsy hoe nanajanona ny tontolon’ny sarimihetsika ny tenako, hoy ny mpilalao sarimihetsika, Andrianina Ravel,

28-févr-2023

fa nahatsapa hoe manana fitiavana na « passion » ihany koa amin’ny resaka filatroana dia niditra lalindalina ao anatin’ny tontolon’ny zaitra. Mahafinaritra, hoy izy, ny asa famoronana. Ny asa tanana ataonay dia eo hatrany ny hoe fianjaika malagasy fa mamokatra filatro amina firenen-kafa koa izahay. Isan’izany, ohatra, ny sari, izay fitafy indianina mety tsara amin’izao andro mafana izao nefa sady maontina no lamaody rahateo. Fitiavana no takian’ny fanjairana voalohany. Izay avy eo no hanananao finiavana hianatra sy maha mora hay an’ilay izy. Tsara jeren’ny fitondram-panjakana ihany hoe misy tanora be dia be tsy an’asa dia isan’ny tena maha velona mihitsy io sehatra iray io. Ny kalitao no zava-dehibe ary tokony hanana isika na ny lafiny ara-pitaovana toy ny masinina na hafa ary tokony ho betsaka. Tsy voatery hanafatra foana fa afaka mamorona sy mametraka ny marika maha antsika antsika isika. Hafa mihitsy izany manana rehareha na “fierté” hoe mahavita zavatra isika malagasy. Fiteny moa ny hoe ny tsara tsy mba mora nefa misy mora ihany izy ireny fa amiko ny zava-dehibe sy vahaolana dia mila mifamelona isika Malagasy fa tsy mifamono. Ny mpamokatra mila mametraka vidiny tsy mamono antoka sy afaka ivelomany sy ireo mpiara-miasa aminy. Dia ny mpanjifa koa mila mahazo na “mi-comprendre” hoe nisy fotoana lany tao nikarohana ny maha kanto indrindra ilay asa, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Andrianina Ravel sy ny ekipany
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap