Telo andro hatramin’ny omaly no efa nifindra toerana, telo andro tsy nisakafo fa soanambo no nohanina ireo traboina, ka mitaraina mafy. “omaly vao nisy olom-panjakana tonga nitsidika, saingy tsy nitondra fanampiana, nampanantena amin’ny fahatongavan’ny Filoham-pirenena”, hoy ireo olona. Vinavinaina ho anio moa no ho avy any ny Filoha ka dia miandry azy izany vao mandeha ny fanampiana? Nilaza anefa ny be’ny tanàna ao Mananjary fa tonga ara-potoana ny fanampiana, kanefa telo andro aty aoriana mbola tsy nozaraina ireo tosika ara-tsakafo hoentina mba hamonjena olona. “Velon-taraina ireo olona mitoby any amin’ny fandraisana ireo traboina noho ny tsy fisian’ny hanina hoanina, ka izay no hanaovana antso avo amin’ny tompon’andraikitra mahefa mba hozaraina ara-potoana satria mosarena sy tsy misy sakafo hohanina ny olona”, hoy ny antso avo nataon’ny Ben’ny tanànan’I Mananjary. Iraisan’ireo distrika manodidina moa io raha ny fanamarihana fa tsy Mananjary ihany. Tsara ny manamarika fa ny talata teo no tafiditra ny rivodoza, ny alarobia dia efa maro be ny traboina, saingy mbola ny resadresaka sy sehoseho tetsy amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha aloha no laharam-pahamehana kokoa noho ny fisian’ny fikitihana ny governemanta. Mbola miandry ny fahatongavan’ny Filoha izany vao hizara fanampiana, raha raisina amin’ny firesaky ny olona. Tena hamonjy ny olona ve izany no tanjona sa sanatria dia mbola hilalao sary fa akaiky mamonjy ny vahoaka? Hatramin’ny fahoriam-bahoaka ve dia sanatriavina holalaovina hitadiavana tombotsoa politika na efa mihatra aman’aina aza ?
Toky R