airtel

Sosialy

18-févr-2022

Sosialy

Traboina any Befotaka Nalatsaka tamin’ny fiaramanidina ny fanampiana

Sample post image

Mbola misy hatreto ireo toerana saro-dàlana kanefa traboina, ka voatery amin’ny alalan’ny fiaramanidina no hanaterana ny fanampiana.

18-févr-2022

 Mitohy hatrany ny fanampiana ataon’ny Tafika ho an’ireo traboina tao aorian’ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai, any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara. Araka izany, nalatsaka tamin’ny alalan’ny fiaramanidina Cessna omaly tao Befotaka ireo fanampiana, araka fampitam-baovao. Nanomana izany ireo miaramila avy ao amin’ny ZDS Matitanana, ka mitsinjara ho 25 kilao isaky ny gony izany, mba hanamora ny fandatsahana azy. Naneho fankasitrahana ny Tafika ny Governoran’ny faritra Atsimo Atsinanana nandritra ny fihaonany tamin’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena. Tsy mijanona hatreo anefa ny andraikitry ny Tafika fa miara-misalahy amin’ireo mpiasan’ny fahasalamana ihany koa ireo miaramila mpitsabo manao vonjy aina sy fizaham-pahasalamana ny vahoaka any an-toerana. Mitarika azy ireo amin’izany ny Profesora Rakotondrainibe Willy sy ny Médecin-Colonel Ravoavy Hariniaina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap