airtel

Sosialy

03-févr-2022

Sosialy

Traboina eny amin’ny faritra iva Mbola somokotra amin’ny fiverenana an-tokantrano

Sample post image

Mbola somokotra amin’ny fiverenana ao an-tokantranony avokoa ny ankamaroan’ireo traboina amin’izao na dia mbola ho avy aza ilay rivo-doza Betsiray izay lasa miteraka resabe eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

03-févr-2022

 Raha araka ny resaka nifanaovana tamina Renim-pianakaviana iray monina eny amin’ny Fokontany Avaratetezana Ampitatafika dia ny hamonjy ny trano fonenan’izy ireo aloha no mahamaika azy amin’izao hanarahany maso ireo fananany nahiany ho very….Nisy tamin’ireo fananan’ny mponina teny an-toerana mantsy no fantatra fa nisy nitaona tamin’ny lakana nandritra ilay andro ratsy nitera-doza farany teo. Nambaran’ity Renim-pianakaviana ity moa fa efa fantany ny vaovao mikasika ilay rivo-doza Betsiray izay tsy maintsy handalo eto amintsika. Na izany aza anefa dia mbola tsy mivonona hitady toerana hifindrana izy ireo. Mbola maina aloha ny andro hatreto hoy izy ka hararaotina kely hanadiovana ny ato an-trano sy hamoahana ireo entana efa bobongolon’ny rano nandritra ny andro maromaro. Araraotina kely ihany koa ny masoandro mipaoka hoy izy hanasana lamba. Raha fehezina araka izany dia mbola tsy rototra akory ny amin’ny fiavian’ity rivo-doza ity ireo mponina monina amin’ny faritra iva eto an-drenivohitra sy ny manodidina.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap