airtel

Sosialy

01-mars-2022

Sosialy

Traboina teny Atsimondrano Adino tamin’ny fizarana Vatsy Tsinjo ?

Sample post image

Raha nahoraka be teo aloha teo ny fizarana fanampiana “Vatsy Tsinjo” ho an’ireo traboina teto an-drenivohitra vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Batsirai dia mbola tsy nahazo ny anjarany kosa ny teny amin’ny distrikan’Atsimondrano

01-mars-2022

 hatreto. Raha araka ny resadresaka nifanaovana taman’olona dia feo fotsiny ihany no mbola mandeha hatreto fa mbola tsy nisy nahazo ny anjarany eny fa na dia ireo tena niaina tao anaty ranobe sy rava trano aza ary tsy maintsy nafindra monina. Ho ana renim-pianakaviana iray traboina teny amin’iny faritra Tanjombato iny dia fantatra fa ireo fanampiana avy amin’ny Ministeran’ny mponina sy ny kaominina ihany no azony tamin’ny fotoana nahatraboina azy. Ny ankoatra izay tsy nisy, raha araka ny fanazavany. Tsy mbola re feo sy re tsaika ihany koa hatreto ny fanaovana ilay digitalisation ny karinem-pokontany rehetra ho an’ireo izay misoratra ara-dalàna ao amin’ny Fokontany misy azy. Ny kaominina Ankadikely ao anatin’ny distrikan’Avaradrano no fantatra fa efa niroso tamin’ny fanisana ireo mponina ao aminy ho enti-mandrafitra izany tamin’ny herinandro lasa teo. Ireo mponina manerana ny Fokontany miisa 8 mandrafitra ny kaominina no notetezina tamin’izany, hetsika hifarana ny 13 martsa ho avy izao.
Pati
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap